♦ Nankahery ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka, sy ny mpitondra, amin'izao fiatrehana ny valan'aretina Covid izao, ireo Filoham-piangonana ao amin'ny FFKM. Nanipy teny ho an'ny mpitondra isan'ambaratongany avy, na sivily na miaramila, mba tsy ho latsaka ao anatin'ny fanararaotam-pahefana... ♦ Tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitra nampiatoana ireo fandaharana fanehoan-kevitra, ho an'ny haino aman-jery tsy miankina eto an-drenivohitra, ny fiaraha-monim-pirenena sy ny holafitry ny mpanao gazety...
Tsy maintsy iainana anaty ny finoana noraisina tamin’ny Batemy fa tsy raviravi-natentina fotsiny. Manaraka izany ny sakramentan’ny Fankaherezana sy ny Eokaristia, ny Fampihavanana ary ny Mariazy mba ho feno fatra ny maha tokatrano kristianina azy. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Alatsinainy 26 avrily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 1-10
Miainga avy amin’ny Sakramentan’ny Batemy ny fiainana maha-zanak’ Andriamanitra. Tsy maintsy zanak’Andriamanitra daholo ny olona ao an-tokan-trano ao vao afaka hiteny hoe tokan-trano kristianina mifototra sy mifikitra amin’ny finoana an’Andriamanitra izy. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco