Talata 22 desambra 2020 — Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 46-56
♦ Efa nisy voasambotra ny fianankavian'ireo jiolahy nandoro trano tany Faratsiho. Nanolotra 4.000.000 Ariary ho valisoa omena izay mahita an'ireto jiolahy ireto ny solombavambahoakan'i Faratsiho... ♦ Tsy hisy mihitsy ny vola haloan'ny ray aman-drenin'ny mpianatra eny amin'ny EPP amin'ity taom-pianarana ity, hoy ny ministry ny fanabeazam-pirenena... ♦ Miantso ny fitsarana tampony hamadika ny voka-pifidianana mba tsy hiakaran'ingahy Joe Biden amin'ny fitondrana indray ingahy Donald Trump...
Alatsinainy 21 desambra 2020 — Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-45.
Alahady 20 desambra 2020 — Alahady fahefatra amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 28-36 — Inty aho mpanompovavin’ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco