Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 19-22)

Ny Apôstôly no fanorenana nandrafetana anareo.

Ry kristianina havana,
tsy olon-ko azy na vahiny intsony ianareo,
fa mpiray fanjakana amin’ny olo-masina
sy isam-pianakavian’Andriamanitra;
ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo
ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro.
Fa ao aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara,
mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo;
ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo
ho trano onenan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 18, 2-3. 4-5

Manerana ny tany rehetra ny feony.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra,
ny asany kosa torìn’ny habakabaka,
ny andro milaza amin’ny andro manaraka,
ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,
tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina:
kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony:
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, ry Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-16)

Nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo i Jesoa, ka nomeny anarana hoe Apôstôly.

Tamin’izany andro izany,
dia lasa tany an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka,
ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.
Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy
ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo,
izay nomeny anarana hoe Apôstôly:
dia i Simôna izay nataony hoe i Piera,
sy i André rahalahiny
i Jakôba sy i Joany,
i Filipo sy i Bartelemy,
i Matio sy i Tômà,
i Jakôba zanak’i Alfe,
sy i Simôna izay atao hoe Zelôty,
ary i Joda rahalahin’i Jakôba,
sy i Jodasy Iskariôta ilay namadika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (2 Tim. 4, 9-17a)

I Lioka irery no eto amiko.

Ry malala,
tongava faingana atý amiko ianao,
fa nilaozan’i Damasy aho,
noho ny fitiavany an’izao tontolo izao,
ka lasa nankany Tesalônika izy.
I Kresensy lasa nankany Galasia,
ary i Tito any Dalmatia;
i Lioka irery no eto amiko,
ka alao i Marka, ento miaraka aminao,
fa manampy ahy fatratra amin’ny raharaha izy.
I Tisìko dia nirahiko ho any Efezy.
Ento kely ilay kapaoty navelako tany Trôasy
ao amin’i Karpôsa rahefa mankatý ianao,
ary ny boky koa,
fa indrindra ny taratasy hoditra.
Be loatra ny ratsy nafitsok’i Aleksandra mpanefy varahina tamiko;
ny Tompo no hamaly azy araka ny asany.
Ary ianao koa mitandrema tena tsara aminy,
fa mafy izay nanoherany ny teninay izay.
Tsy nisy nanampy ahy tamin’ny nandaharako voalohany hiaro tena;
fa nilaozan’izy rehetra aho;
enga anie ka tsy hotanana ho helony izany!
Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo,
sy nankahery fo ahy,
mba hanatontosako ny fitorian-teny,
sy handrenesan’ny jentily rehetra azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 144, 10-11. 12-13ab. 17-18

Mitanisa ny voninahitry ny fanjakanao ny mpivavaka aminao, ry Tompo.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.

Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery;
sy ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny fanjakanao;
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao!

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy:
dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-9)

Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy.

Tamin’izany andro izany,
nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo
ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy,
any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy;
koa mangataha amin’ny tompom-bokatra
mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany.
Mandehana;
indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry
eo afovoan’ny amboadia.
Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa,
na kiraro,
ary aza miarahaba olona akory any an-dalana.
Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe:

‘Fiadanana anie ho amin’itý trano itý’;

ka raha misy zanaky ny fiadanana ao,
dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo;
fa raha tsy misy kosa,
dia hiverina aminareo ihany izany.
Ary mitoera amin’izany trano izany,
ka mihinàna sy misotroa izay misy ao,
fa mendrika ny karamany ny mpiasa.
Aza mifindrafindra trano.
Ary amin’izay tanàna idiranareo,
raha mandray anareo ny olona,
dia hano izay atolony anareo;
sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe:

‘Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpj 5, 1-14)

Ny nahasitrana an’i Naamàna.

I Naamàna, komandin’ny tafiky ny mpanjakan’i Siria
dia lehilahy manam-pahefana sy to teny teo amin’ny tompony,
fa izy no namonjen’ny Tompo ny Sirianina;
nefa boka izany lehilahy matanjaka sy mahery fo izany.
Fahizay kosa nisy Sirianina nanao andiany ka nivoaka,
ary nitondra zazavavikely anankiray avy amin’ny tanin’i Israely,
izay tonga mpanompon’ny vadin’i Naamàna.
Ary hoy io tamin’ny mpanompovaviny:

“Raha mba any amin’ilay mpaminany any Samaria mantsy ny tompoko lahy,
dia hositranin’ny mpaminany amin’ny habokany tokoa!”

Ka lasa i Naamàna nilaza izany tamin’ny tompony hoe:

“Izao sy izao no nolazain’ilay zazavavy kely,
avy amin’ny tanin’i Israely.”

Dia hoy ny mpanjakan’i Siria:

“Makanesa any,
ary ampitondraiko taratasy ny mpanjakan’i Israely”.

Dia lasa izy, sady nitondra talenta volafotsy folo, sy volamena enina arivo sikla,
ary akanjo impolo miova.
Nateriny tamin’ny mpanjakan’i Israely ilay taratasy misy manao hoe:

“Rehefa tonga ety aminao àry ity taratasy ity,
dia indro hofantarinao fa nirahiko ho aty aminao i Naamàna mpanompoko,
mba hositraninao amin’ny habokany”.

Nony voavakin’ny mpanjakan’i Israely ny taratasy
dia notriariny ny fitafiany, ka hoy izy:

“Izaho angaha Andriamanitra mahay mamono sy mamelona
no anirahan’ilay iny olona ho aty amiko hositraniko amin’ny habokany?
Fantaro sy zahaonareo fa filàny ady amiko izao.”

Vao nandre i Elisea olon’Andriamanitra fa hoe:
notriarin’ny mpanjakan’i Israely ny fitafiany,
dia naniraka izy hilaza amin’ny mpanjaka hoe:

“Nahoana ianao no nandriatra ny fitafianao?
Aoka hankaty amiko izy
dia ho fantany fa misy mpaminany eto amin’i Israely.”

Dia nandeha i Naamàna mbamin’ny soavaly aman-kalesiny,
ka nijanona teo am-baravaran’ny tranon’i Elisea.
Olona no nirahin’i Elisea hilaza aminy hoe:

“Mandehana mandro impito ao Jordany,
fa hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.”

Tezitra i Naamàna, ka lasa niombotra nanao hoe:

“Indro aho nanao anakam-po hoe:
hivoaka hankaty amiko izy,
ny tenany no hiseho eo anatrehako hiantso ny anaran’ny Tompo Andriamaniny
sy hanevaheva ny tanany eo ambonin’ny fery, dia hahasitrana ilay boka.
Tsy tsara noho ny ranon’i Israely rehetra va i Abàna sy Farfara onin’i Damasa?
Tsy mahazo mandro amin’ireo va aho, ka hadio?”

Dia nihodina izy ka lasa niombotra an-katezerana.

Fa nanatona kosa ireo mpanompony, ka niteny taminy hoe:

“Ry ikaky ô, na zava-tsarotra aza no nasain’ny mpaminany nataonao
moa tsy ho nataonao ihany va?
Ka mainka fa izao fotsiny no nataony taminao:
Mandroa dia hadio ianao!”

Nidina izy ka nisitrika impito tao Jordany araka ny tenin’ny olon’Andriamanitra
ary tonga toy ny nofon-jazakely indray ny nofony, ka nadio izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

{Salamo fandinihana}

Tompo ô, henoy vavaka aho.

Tompo ô, henoy vavaka aho!
Aoka ho tonga aminao ny tarainako!
Aza anafenan-tava aho
amin’ny andro fahoriako
Itongilano sofina, valio faingana,
amin’ny andro iantsoako.

Ka hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
ny voninahitrao, ny mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo mantsy hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny,
hanatrika ny vavak’ilay norobaina,
tsy hanosika ny talohan’izy ireo.

Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho ary!
Avy any an-toerany masina ambony Izy no mitsinjo:
avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany:
hahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Jakôba (Jak. 5, 13-16)

Hamonjy ny marary ny vavaky ny finoana.

Misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka.
Misy mifaly? Aoka izy hihira fiderana.
Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy;
ary aoka ireo hivavaka ho azy ka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo.

Ary ny vavaka atao am-pinoana hamonjy ny marary;
dia hanamaivana ny rofiny ny Tompo, ary hamela izay heloka vitany.
Koa mifampieke fahotana ianareo;
ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo;
fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina amin-kafanam-po.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny aretintsika no nentin’i Kristy ary ny fahoriantsika no nivesarany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk 1, 40-45)

Ny nanasitranana ilay boka.

Tamin’izany andro izany nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa
nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe:

“Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.”

Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany,
dia nanendry azy sy nanao taminy hoe:

“Mety aho, madiova ianao”.

Vantany vao niteny Izy,
dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy.
Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa sady namepetra azy mafy nanao hoe:

“Tandremo, aza milaza izany na amin’iza na amin’iza Ianao,
fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona,
ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy,
mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka.”

Kanjo nony lasa ralehilahy
dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza,
hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa,
fa nitoetra teny ivelany tamin’ny mangingina Izy,
ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks 23, 20-23a)

Indro aho maniraka Anjely eo anoloanao.

Izao no lazain’ny Tompo:

“Indro Aho maniraka anjely eo alohanao,
hiaro anao eny an-dalana sy hahatonga anao any amin’ny toerana nomaniko.
Mitandrema tena eo anatrehany ary henoy ny feony;
aza manohitra azy, fa tsy hamela ny fandikanareo ny didiny izy,
satria ny anarako no ao aminy.
Fa raha mihaino ny feony kosa ianao, ka manao izay rehetra holazaiko,
dia ho fahavalon’ny fahavalonao Aho, sy ho rafin’ny rafinao.
Fa mandeha eo anoloanao ny anjeliko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal 90, 1-2. 3-4. 5-6. 10-11

Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’ny lalanao rehetra.

‘Zany izaho raha mialokaloka ao an-tranon’Ilay Avo,
velon-toky tsy manahy fa alofanao, ry Tompo!
“O, ry Tompo fialofako sy mandako, hoy aho”
Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.

Fa ny Tompo no mpanafaka amy fandrika mandavo
sy manakana, manohana fiadiana mety hamono.
Eo ambanin’ireo elany no anaronany anao.
‘Zay matoky tsy manahy fa efa tsara fambombana!

Ary ‘zany fahamarinany moa ts’ilay fiarovan-tratra:
Na raha alina ka tojo ‘rony amboa manao andia, na antoandro mifanehatra amim-borona mahery!
Na misoko te handringana amin’ny haizina ny loza.
Tsy hangovitra, tsy hatahotra, tsy hihontsona ianao.

Ka ny tena tsy mba tran’irony loza mahafaty;
‘zay antambo koa tsy hiditra ny trano itoeranao!
Fa nomeny baiko manko ny anjeliny rehetra
mba hanampy anao ho tody soa aman-tsara an-tranonao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mpankatò ny sitrany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 1-5. 10)

Mahita mandrakariva ny Tavan’ny Raiko izay any an-danitra ny Anjelin’izy ireny.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe:

“Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?”

Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany, ary hoy Izy:

“Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory.
Koa amin’izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity,
dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako, dia mandray Ahy koa.
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza;
fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra
dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...