Boky Tononkira dia Tononkira (Ton 3, 1-4a)
Izao no lazain’ny ampakarina:
“Teo am-pandriako aho, nony alina,
nitady ilay malalan’ny fanahiko;
nitady azy aho, fa tsy nahita...
Ka hoy aho anankampo:
Andeha hifoha aho hitetitety ny tanàna,
ny lalambe sy ny kianja
hitady ilay malalan’ny foko.
Dia nitady Azy aho fa tsy nahita.
Tojo ahy ny mpiambina izay misafo tanàna;‘Mba hitanreo va ilay malalan’ny foko?’
Vao tafahoatra an’ireo kely foana aho,
dia nahita an’ilay malalan’ny foko.
Nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 62, 2. 3-4. 5-6. 8-9
Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, maniry Anao aho!
Mangetaheta Anao ny fanahiko!
Matimaty Anao ny nofoko:
mova tsy tany maina sy mangetana, maniry rano!
Toy ny nahitako Anao tao amin’ny toerana masina,
sy nibanjinako ny hery sy ny voninahitrao
fa tsara noho ny aina ny hatsaram-ponao,
ka ny molotro mankazala Anao!
Toy izany no hisaorako Anao raha mbola velona aho,
sy hanandratako tànana amin’ny Anaranao.
Ka ny fanahiko toy ny voky sakafo soa,
ny molotro hihoby, ny vavako hidera!
Fa Ianao no mpiahy ahy!
Mibitaka aho alofan’ny elatrao.
Ny fanahiko misarangotra aminao,
ny tànanao misakambina ahy!
Aleloia. Aleloia.
Lazao anay, ry Maria, ny hitanao teny an-dàlana.
Ny fasan’i Kristy velona no nahitako
sy ny voninahitr’Izy tafatsangan-ko velona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 1. 11-18)
Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro,
dia lasa marainakoa mbola maizina nankany amin’ny fasana i Maria Madelenina,
ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato.
Nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana izy.
Ary teo am-pitomaniana,
dia niondrika izy ka nahita anjely roa niakanjo fotsy,
nipetraka tao amin’izay nipetrahan’ny vatan’i Jesoa,
ny iray teo an-doha ary ny iray teo an-tongotra.
Dia hoy izy ireo taminy:
“Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?”
Ka hoy izy namaly ireo:
“Satria nalain’olona ny Tompoko,
ka tsy fantatro izay nametrahany Azy”.
Nony avy nilaza izany izy, dia nitodika,
ka nahita an’i Jesoa nitsangana teo,
nefa tsy fantany hoe i Jesoa io.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?
Iza no tadiavinao?”
Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy:
“Raha ianao re no naka Azy, tompoko,
mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy,
hangalako Azy”.
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Ry Maria!”
Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe:
“Rabònỳ!” (Izany hoe Mpampianatra).
Hoy i Jesoa taminy:
“Aza mikasika Ahy,
fa mbola tsy niakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho,
ary any amin’ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo!”
Dia lasa i Maria Madelenina
ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe:
“Efa nahita ny Tompo aho,
ary izany no nolazainy tamiko”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 19-22)
Ry kristianina havana,
tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry ianareo,
fa mpiray fanjakana amin’ny olomasina sy isam-pianakavian’Andriamanitra;
ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo,
ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro.
Fa ao aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara,
mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo;
ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 116, 1. 2.
Derao ny Tompo,
ry firenen-drehetra!
Ankalazao Izy,
ry foko rehetra.
Fa aminay tsy mba lefy
ny hatsaram-pony,
ary mandrakizay
ny fahamarinany!
Aleloia. Aleloia.
Nino ianao, ry Tômà, satria nahita, hoy ny Tompo; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 24-29)
Tamin’izany andro izany, i Tômà,
anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy,
tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa.
Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy:
“Efa nahita ny Tompo izahay.”
Fa hoy izy tamin’ireo:
“Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika
ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako,
ary atehiko amin’ny fony ny tanako,
dia tsy hino aho.”
Nony afaka havaloana,
raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tômà,
dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana.
Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe:
“Ho aminareo anie ny fiadanana!”
Ary hoy Izy tamin’i Tômà:
“Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako,
ary arosoy ny tananao ka atehefo eto amin’ny foko;
dia minoa, fa aza malain-kino.”
Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe:
“Tompoko sy Andriamanitro!”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy;
sambatra izay tsy nahita ka mino.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 12, 1-11)
Tamin’izany andro izany,
dia nasain’i Herôda mpanjaka nosamborina mba hampahoriana
ny sasany anisan’ny Eglizy.
Nasainy novonoina tamin’ny sabatra i Jakôba rahalahin’i Joany.
Nony hitany fa nankasitrahin’ny Jody izany,
dia nasainy nosamborina koa i Piera.
Andron’ny azima tamin’izay.
Nony efa nosamborina izy, dia nataony tao an-tranomaizina,
ka nasainy nambenan’andia-miaramila efatra,
misy miaramila efatra avy;
fa rehefa afaka ny Paka vao kasainy hatolotra ny vahoaka izy.
Raha mbola notanana tao an-tranomaizina i Piera
dia tsy tapaka ny fivavahana nataon’ny Eglizy ho azy.
Tamin’ny alin’ny hamoahan’i Herôda azy,
raha natory teo anelanelan’ny miaramila roa lahy i Piera,
sady nifatotra tamin’ny rojo vy roa,
ary nisy mpiambina niambina teo am-baravaran’ny tranomaizina,
dia indro nisy Anjelin’ny Tompo sy fahazavana
namirapiratra tonga tampoka tao an-tranomaizina;
nanohina ny tehezan’i Piera ilay Anjely, namoha azy nanao hoe:
“Mitsangàna faingana”;
dia niala tamin’ny tanany ny rojo vy.
Ary hoy ilay Anjely taminy:
“Ataovy ny fehikibonao ary fehezo ny kapanao.”
Dia nataony izany, ka hoy indray ny Anjely:
“Tafio ny lambanao ary manaraha ahy.”
Dia nivoaka i Piera ka nanaraka azy;
tsy fantany ho tena zavatra anefa ny nataon’ny Anjely,
fa nataony ho fahitana fotsiny izany.
Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy,
dia tonga tao amin’ny vavahady vy fidirana ao an-tanàna;
nivoha ho azy io, ka tafavoaka izy ireo,
dia nizotra tamin’ny lalana iray, vao nilaozan’ilay Anjely tampoka izy.
Izay vao nahatsiaro fanahy i Piera ka nanao hoe:
“Fantatro ankehitriny fa efa naniraka ny Anjeliny tokoa ny Tompo,
ka nanafaka ahy tamin’ny tanan’i Herôda sy ny fanampoizan’ny vahoaka Jody.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 33, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9
Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Ombay aho mankalaza ny Tompo,
miaraha isika midera ny Anarany.
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny,
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjìna Azy fa ho mirana,
ny tavanareo tsy hangaihay;
ity ory velona antso ka novaliany,
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny Anjeliny milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Ankafizo re fa mamy ny Tompo:
ary sambatra ny olona mifefy aminy.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (2 Tim. 4, 6-8. 17-18)
Ry zanako malala,
izaho dia mova tsy ny efa haiîdina ho fanatitra sahady,
ary efa antomotra ny andro hialako.
Niady ny ady tsara aho,
nahatanteraka ny fihazakazahana aho,
nitahiry ny finoana aho;
hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana,
izay homen’ny Tompo Mpitsara marina ahy amin’izany andro izany,
ary tsy ho ahy ihany,
fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.
Nilaozan’ny olona aho, nefa tonga namonjy ahy ny Tompo,
sy nankahery fo ahy mba hanatontosako ny fitorianteny
sy handrenesan’ny Jentily rehetra azy,
sady nesorina teo am-bavan’ny liona aho.
Hanafaka ahy amin’ny asan’ny ratsy rehetra ny Tompo,
ary hamonjy ahy ho amin’ny fanjakany any an-danitra.
Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)
Tamin’izany andro izany,
raha tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany nanao hoe:
“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”
Ary hoy ireo:
“Ny sasany manao hoe i Joany Batista,
ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia,
na ny anankiray amin’ny Mpaminany.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Fa ianareo kosa,
ataonareo ho iza Aho?”
Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:
“Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko,
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany
dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao ety an-tany
dia ho voavaha koa any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 49, 1-6)
Mihainoa ahy, ry nosy;
mitandrema ianareo, ry firenena lavitra!
Ny Tompo efa niantso ahy hatrany am-bohoka,
efa nilaza ampahibemaso ny anarako, hatrany an-kibon’i neny.
Nataony sabatra maranitra ny lelako;
nalofany tamin’ny aloky ny tanany aho,
nataony zana-tsipìka maranitra aho,
nafeniny tao amin’ny tranon-jana-tsipìkany.
Ary hoy Izy tamiko:
“Mpanompoko ianao, ry Israely,
izay hataoko reharehako.”
Dia hoy kosa aho:
“Foana ny nisasarako;
zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko.”
Fa ao amin’ny Tompo ny rariny ananako,
ao amin’Andriamanitro ny valisoa ho ahy.
Ary ankehitriny miteny ny Tompo,
izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba ho mpanompony,
hampody an’i Jakôba aminy indray,
ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely.
Ary mahazo voninahitra eo imason’ny Tompo aho,
ary Andriamanitro no heriko.
Hoy Izy:
“Mbola zavatra kely foana no maha-mpanompoko anao,
hanangana ny firenen’i Jakôba indray
sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely;
fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao,
mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 138, 1-3. 13-14ab. 14d. 15
Tompo ô, dinihinao aho
ka fantatrao tokoa!
Mipetraka aho, mitsangana: fantatrao;
mbola lavitra ny hevitro dia tsinjonao.
Voadinikao aho na mamindra na miato;
tsy misy manavao Anao ny momba ahy.
Ianao nahary ahy tongotra aman-tanana
sy namboatra ahy tao an-kibon’ineny:
midera Anao aho izay voaarinao,
izay asan-tananao mampitolagaga.
Fantatrao manontolo ny tenako,
tsy niafina taminao ny momba ahy,
fony izaho niforona tao amin’ny miafina,
sy nitenona tao anatin’ny tany.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 22-26)
Tamin’izany andro izany, i Paoly nilaza hoe:
“I Davida no natsangan’Andriamanitra ho mpanjakan’ireo razantsika,
fa izy ilay nankatoaviny tamin’ny teny hoe:‘Efa hitako i Davida zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko,
izay hanao ny sitrapoko rehetra’.Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa,
araka ny nampanantenainy,
ho Mpamonjy an’i Israely.
Talohan’ny nahatongavany anefa,
dia i Joany no nitory batemim-pibebahana tamin’ny vahoaka Israely rehetra;
ary rehefa nadiva ho tapitra ny dian’i Joany, dia hoy izy:‘Tsy izaho no ilay andrasanareo,
fa indro avy ao aoriako Izy,
ka tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany akory aho’,Ry havana taranak’i Abrahama,
sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo koa,
ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo indrindra: handeha eo anoloan’ny Tompo ianao, hamboatra ny Lalany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 57-66. 80)
Tamin’izany andro izany,
nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta, dia tera-dahy izy.
Ary nahare ny miara-monina aminy sy ny havany,
fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy,
ka dia niara-nifaly taminy.
Nony afaka havaloana,
dia tonga izy hamora ny zaza,
ary Zakaria, araka ny anaran-drainy no ndeha hataony anarany.
Fa niteny ireniny nanao hoe:
“Tsia, tsy izany,
fa hatao hoe Joany izy.”
Fa hoy izy ireo taminy:
“Tsy misy na dia iray aza amin’ny havanao
manana izany anarana izany.”
Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo
nanontany izay tiany hatao anarany.
Dia nangataka fafana izy ary nanoratra hoe:
“Joany no anarany”; ka gaga daholo izy rehetra.
Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny vavany, ary nivaha ny lelany,
dia niteny izy ka nisaotra an’Andriamanitra.
Azon’ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina,
ary niely hatraiza hatraiza tany amin’ny tendrombohitr’i Jodea
izany zava-mahatalanjona rehetra izany.
Ary izay rehetra nahare dia nandatsaka izany tao am-pony, ka nanao hoe:
“Ho inona re, ity zaza ity?
Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo.”
Dia nitombo sy nihanahery fanahy ny zaza,
ary nitoetra tany an’efitra,
ambara-pahatongan’ny andro hisehoany amin’i Israely.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco