Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 19, 1-2. 9-11. 16-20b)

Nidina nanatrika ny vahoaka teo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaia ny Tompo.

Tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nivoahan’i Israely tany Ejipta,
tamin’izany andro izany, no nahatongavany tany an’efitr’i Sinaia.
Efa niala tany Rafidima izy;
ary nony tonga tamin’ny efitr’i Sinaia, dia nitoby tao an’efitra;
tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely.

Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Indro fa hankeo aminao ao anatin’ny rahona matevina Aho,
mba ho ren’ny olona rahefa miteny aminao Aho,
dia hinoany anao mandrakariva koa.”

Dia nolazain’i Môizy tamin’ny Tompo ny tenin’ny vahoaka.
Ka hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Mandehana mankany amin’ny vahoaka, ka hamasino izy anio,
sy ampitso ary asaovy sasàny ny fitafiany.
Aoka ho voaomana amin’ny andro fahatelo izy,
fa hidina eo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaia
eo imason’ny vahoaka rehetra ny Tompo amin’ny andro fahatelo.”

Nony marainan’ny andro fahatelo,
dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina teo an-tendrombohitra,
ary nisy feon’anjomara mafy nitatatata,
ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra teo an-toby.

Nentin’i Môizy nivoaka ny toby ny vahoaka
handeha hihaona amin’Andriamanitra;
dia teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo no nijanona.
Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo,
satria tanaty afo no nidinan’ny Tompo nankeo amboniny,
ka nipololotra toy ny avy amin’ny lafaoro lehibe ny setroka,
ary nihovotrovotra iray ihany ny tendrombohitra manontolo.
Nihamafy nihamafy ihany ny feon’anjomara.
Ary niteny i Môizy ka namaly feo azy Andriamanitra.
Nidina ny Tompo nankeo an-tendrombohitra Sinaia,
dia teo an-tampon’ny tendrombohitra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56

Fa mendrika dera sy laza, isaorana mandrakizay.

Isaorana indrindra Ianao,
ry Tompo Andriamanitry ny razana.

Isaorana ny Anaranao,
fa masina, be voninahitra.

Isaorana indrindra Ianao,
an-tempoly be voninahitra.

Isaorana indrindra Ianao,
ambony fiketraha-mpanjaka.

Isaorana indrindra Ianao,
mahatsinjo ny halalin’ny hantsana.

Isaorana indrindra Ianao,
mipetraka ambony Kerobima.

Isaorana indrindra Ianao,
manerana tany aman-danitra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 10-17)

Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nilaza taminy hoe:

“Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?”

Namaly Izy ka nanao taminy hoe:

“Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra,
fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy,
ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hesorina aminy.
Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy:
satria mijery izy fa tsy mahita,
ary mandre fa tsy mahazo na mahalala;
ka tanteraka aminy ilay faminanian’i Izaia manao hoe:
‘Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala,
ary hijery amin’ny masonareo, fa tsy hahita;
fa ny fon’ity vahoaka ity efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto,
ary ny masony efa nakimpiny,
sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony,
dia hibebaka izy ary hositraniko.’
Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita,
ary ny sofinareo fa mandre.
Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminanysy ny olo-marina
naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 16, 1-5. 9-15)

Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo.

Tamin’izany andro izany, niala tao Elima ny zanak’i Israely
dia tonga tany an’efitra Sina, anelanelan’i Elima sy Sinaia
tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana faharoa,
taorian’ny nialany tany amin’ny tany Ejipta.

Nimonomonona tamin’i Môizy sy Aarôna tao an’efitra
ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra.
Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe:

“Inay anie izahay mba matin’ny tanan’ny Tompo tany an-tany Ejipta,
raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandra-pahavoky iny izahay;
fa izao kosa nentinareo aty an’efitra izahay
mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao.”

Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo.
Hivoaka ny olona,
ka isan’andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro,
mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy na tsia.
Amin’ny andro fahenina,
homaniny izay efa nangoniny ka hisy indroa toraky ny fanangony isan’andro.”

Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna:

“Lazao amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra hoe:
Manatòna eo anatrehan’ny Tompo ianareo,
fa efa reny ny fimonomononanareo.”

Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna,
no nitodika ny efitra ireo,
ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitry ny Tompo.
Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Reko ny fimonomononan’ny zanak’i Israely ka lazao azy ireo hoe:
Amin’ny àty takariva ianareo dia hihinan-kena;
ary raha maraina koa dia hivoky mofo,
ka ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Andriamanitrareo.”

Nony hariva indreny nisy papelika niakatra nandrakotra ny toby;
maraina indray, nisy ando matevina nanodidina ny toby.
Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra
zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin’ny tany.
Nahita ireny ny zanak’i Israely dia nifanontany hoe:

“Inona itony?” satria tsy fantany.

Hoy i Môizy tamin’izy ireo:

“Itony no mofo omen’ny Tompo ho fihinanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 77, 18-19. 23-24. 25-26. 27-28

Varin’ny lanitra no nomen’ny Tompo azy ireo.

Ninia naka fanahy an’Andriamanitra izy ireo,
ka nangata-tsakafo ho an’ny tendany.
Andriamanitra va re, hoy izy,
hahavonom-panasana atý an’efitra?

Izy nandidy ny rahona eny ambony;
ny varavaran’ny lanitra nadanadanany;
narotsany taminy ny mana ho sakafony:
varin-danitra no nomeny azy ireo.

Mofo Mahery no nohanin’olombelona,
vatsy mahahetsaka no nalefany taminy.
Nirahiny avy eny an-danitra ny rivotr’Atsinanana;
nampiavian’ny heriny ny rivotr’Atsimo.

Hena toy ny vovoka no narotsany ho azy,
dia vorona ohatra ny fasi-dranomasina.
Nalatsany ireny teo anivon’ny tobiny,
ary koa teny manodidina ny lainy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo,
izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-9)

Ao ny mamoa avo zato heny.

Tamin’izany andro izany,
rahefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa,
dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy,
ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo,
ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe:

“Indro nivoaka hamafy ny mpamafy, ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana,
dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy;
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo,
ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany;
kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina,
satria tsy latsa-paka.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa:
ao ny tonga avo zato heny,
ao ny enimpolo,
ary ao ny telopolo.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 14, 21 — 15, 1)

Ny zanak’i Israely nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina.

Nony nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany
dia nohemorin’ny Tompo ny ranomasina tamin’ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana
nandritra ny alina,
ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano.
Dia niditra teo afovoan’ny ranomasina efa tonga maina ny zanak’i Israely
ary zary rindrina ho azy ireo eo ankavanany sy ankaviany ny rano.
Nanenjika azy ny Ejipsianina,
ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina avokoa
ny soavalin’i Faraôna mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Ary tamin’ny fotoan’ny fiambenana maraina,
dia nitodika ny Ejipsianina ny Tompo tao amin’ny andry afo aman-tsetroka,
dia nandatsaka fangorohoroana tao amin’ny tobin’ny Ejipsianina.
Nataony nitsoaka tamin’ny kalesiny ny kodiarana ka saika tsy afa-nandroso intsony.
Ary hoy ny Ejipsianina tamin’izay:

“Andeha handositra eo anoloan’i Israely isika,
fa ny Tompo no miady ho azy, mamely ny Ejipsianina.”

Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tananao,
hikatonan’ny rano amin’ny Ejipsianina sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.”

Dia nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany,
ka vao nangirana ny andro,
dia nody tamin’ny toerany andavanandro ny ranomasina.
Nandositra ny Ejipsianina ka tojo azy,
ka dia navarin’ny Tompo tao anaty ranomasina ny Ejipsianina.
Nony nikatona ny rano,
dia nanafotra ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafik’i Faraôna rehetra
izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak’i Israely:
tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza.
Ny zanak’i Israely anefa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina,
fa zary rindrina ho azy ireo ny rano eo akavanany sy eo ankaviany.

Koa novonjen’ny Tompo ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejipsianina i Israely tamin’izany andro izany,
ary i Israely nahita ny fatin’ny Ejipsianina teny amoron-dranomasina.

Hitan’i Israely ny tanana maherin’ny Tompo,
nasehony tamin’ny namelezany ny Ejipsianina,
ka natahotra ny Tompo ny vahoaka,
ary nino ny Tompo sy i Môizy mpanompony.
Tamin’izany i Môizy sy ny zanak’i Israely nanao izao hira izao tamin’ny Tompo.
Hoy izy:

“Hihira ho an’ny Tompo aho,
fa efa naneho ny voninahiny Izy.
Nariany any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Eks. 15, 8-9. 10 sy 12. 17

Hihira ho an’ny Tompo isika, fa efa naneho ny voninahiny Izy.

Noho ny fofon’ain’ny vavoronao,
niangona niavosa ny rano,
niantsavovona ny onjan-drano,
raikitra nandry tao anaty mason-dranomasina ny alon-drano.

Hoy ny fahavalo: Hanenjika ka hahatratra,
dia hizara babo aho.
Ho afa-diana aho amin’ny valy fatiko.
Hotsoahako ny sabatra dia haringan’ny tanako ireny.

Kanjo vao notsofin’ny fofon’ainao, dia safotry ny rano izy,
ka nilentika toy ny firaka anatin’ny ranomasim-be.
Naninjitra ny tananao havanana ianao,
dia nitelina an’ireny ny tany.

Hitondra sy hamponina azy Ianao
eo amin’ny tendrombohitry ny lovanao,
dia eo amin’ilay toerana nataonao ho fonenana, ry Tompo ô!
Eo amin’ny fitoerana masina namboarin’ny tananao, ry Tompo ô!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko,
ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 46-50)

Naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany izy, nanao hoe: ireo no reniko sy rahalahiko.

lndray andro, raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Jesoa,
dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy,
ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe:

“Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano,
mitady Anao.”

Fa izao no navaliny an’ilay nilaza taminy:

“Iza moa no reniko, ary zovy no rahalahiko?”

Dia naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe:

“Ireo no reniko sy rahalahiko.
Fa na zovy na zovy hanao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra,
dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 14, 5-18)

Ho fantatr’izy ireo fa Izaho no Tompo, rahefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna.

Tamin’izany andro izany,
dia nilazana ny mpanjakan’i Ejipta fa hoe lasa nandositra ny vahoaka.
Tamin’izay dia voaova ny fon’i Faraôna sy ny mpanompony, ny amin’ny vahoaka fa hoy izy ireo:

“Naninona ity isika no nandefa an’i Israely handeha,
ka namoy ny fanompoany antsika?”

Dia nasain’i Faraôna nasiana soavaly ny kalesiny ary nentiny niaraka taminy ny vahoakany.
Ny nentiny dia kalesy voafantina eninjato sy ny kalesy rehetra tao Ejipta,
samy nisy mpifehy avy.
Nohamafisin’ny Tompo ny fon’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta,
ka nanenjika ny zanak’i Israely i Faraôna,
ary tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely.
Koa nanenjika azy ny Ejipsianina ary nahatratra azy
teo akaikin’ny ranomasina izay nitobiany;
nahatratra azy teo akaikin’i Fihahirôta,
tandrifin’i Beelsefôna avokoa ny soavaly mpitarika kalesin’i Faraôna
sy ny mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny rehetra.

Nony mby akaiky i Faraôna, natopin’ny zanak’i Israely ny masony,
dia indreo tamy nanaraka azy ny Ejipsianina,
ka raiki-tahotra mafy ny zanak’i Israely sy velon-taraina tamin’ny Tompo.
Ary nanao tamin’i Môizy hoe:

“Tsy misy fasana va tany Ejipta,
no dia nentinao ho faty atý an’efitra izahay?
Ahoana izao nataonao taminay izao ka navoakanao tany Ejipta?
Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe:
Avelao ihany izahay hanompo ny Ejipsianina
fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy toy izay ho faty any an’efitra.”

Fa hoy kosa i Môizy tamin’ny vahoaka:

“Aza matahotra fa mipetraha tsara eo ka zahao ny famonjen’ny Tompo anareo anio;
fa ireo Ejipsianina hitanareo anio ireo, tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
Ny Tompo no hiady ho anareo,
fa ianareo mipetraha tsy amin’ahiahy.”

Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Nahoana no mitaraina amiko ianao?
Ilazao ny zanak’i Israely mba hiainga.
Ianao manaingà ny tehinao sy maninjira ny tananao eo ambonin’ny ranomasina
dia hampisaraka roa azy;
ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina,
ary Izaho hanamafy ny fon’ny Ejipsianina hanarahany azy ireo avy aoriana,
ary hataoko miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra,
mbamin’ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Ka ho fantatry ny Ejipsianina fa Izaho no Tompo,
rahefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna
sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo : Eks 15, 1-2. 3-4. 5-6

Hihira ho an’ny Tompo isika, fa efa naneho ny voninahiny izy.

Hihira ho an’ny Tompo aho
fa efa naneho ny voninahiny Izy.
Nariany any an-dranomasina ny soavaly
sy ny mpitaingina azy.

Ny Tompo no heriko sy fototry ny tononkirako,
Izy no namonjy ahy.
Izy no Andriamanitro ka hankalazaiko,
sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.

Mpiady mahery ny Tompo.
Mahefa ny zava-drehetra ny Anarany.
Ny kalesy aman-tafik’i Faraôna navariny an-dranomasina;
ny kapiteny voafantina natelin’ny ranomasina Mena.

Natelin’ny rano ireny;
nilentika any amin’ny farany ambany izy ireo.
Tompo ô, nigagàna noho ny heriny ny tananao havanana,
Tompo ô, nanorotoro ny fahavalo ny tananao havanana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio,
fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 38-42)

Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana.

Tamin’izany andro izany,
ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina namaly an’i Jesoa nanao hoe:

“Tompo, mba te-hahita famantarana avy aminao izahay.”

Fa namaly Izy ka nanao hoe:

“Mangata-pamantarana ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity
fa tsy homena famantarana hafa afa-tsy ny an’i Jônasa mpaminany izy;
fa tahaka ny nitoeran’i Jônasa hateloan’andro sy hateloan’alina
tany an-kibon’ny hazandrano lehibe
no hitoeran’ny Zanak’Olona hateloan’andro sy hateloan’alina
ao anatin’ny tany koa.
Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana
ka hanameloka azy,
satria nibebaka izy ireo nony nitorian’i Jônasa teny;
nefa indro misy lehibe noho i Jônasa eto.
Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana
hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana
ka hanameloka azy;
fa niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy
ka nankaty hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy lehibe noho i Salômôna eto.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...