Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 12, 1-9)

Niainga i Abrahama araka ny tenin’ny Tompo taminy.

Tamin’izany andro izany,
ny Tompo niteny tamin’i Abrahama nanao hoe:

“Mialà amin’ny taninao sy amin’ny fianakavianao ary amin’ny tranon-drainao
mba ho any amin’ny tany hasehoko anao.
Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao,
ary hampanan-daza ny anaranao.
Ho tonga fanasoavana ianao;
ny manasoa anao hohasoaviko,
ny manozona anao hozoniko,
ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.”

Dia niainga i Abrahama araka ny tenin’ny Tompo taminy,
ary niara-nandeha taminy koa i Lôta.
Efa dimy amby fitopolo taona i Abrahama fony izy niala tany Haràna.
Nentiny i Sarà vadiny, sy i Lôta zana-drahalahiny
ary ny harena rehetra nananany mbamin’ny mpanompo azony tany Haràna,
dia niainga ho any amin’ny tany Kanaàna izy ireo,
ka tonga tany amin’ny tany Kanaàna izy.
Dia namaky ny tany i Abrahama,
hatrany amin’ny fitoerana atao hoe Sikema,
hatrany amin’ny terebintan’i Môre.
Ny Kananeana tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany.
Niseho tamin’i Abrahama ny Tompo ka nanao hoe:

“Homeko ny taranakao ity tany ity.”

Ary teo i Abrahama nanorina ôtely ho an’ny Tompo izay niseho taminy.
Nifindra avy eo izy ho any amin’ny tendrombohitra ao atsinanan’i Betela,
dia niorin-day izy,
ka i Betela teo andrefany ary i Hay teo atsinanany.
Ary nanorina ôtely ho an’ny Tompo izy teo,
ka niantso ny Anaran’ny Tompo.
Dia nandroso ihany i Abrahama nifindrafindra lasy nianatsimo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 32, 12-13. 18-19. 20 sy 22

Sambatra ny firenena nofidin’ny Tompo ho lovany.

Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony,
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany...
Any an-danitra ny Tompo mitazana:
hitany avokoa ny zanak’olombelona.

Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy,
sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony,
hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana
sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena!

Ny fanahinay manantena ny Tompo:
Mpitahy anay Izy sy ampinganay!
Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo,
araka ny itokianay Anao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo,
ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 1-5)

Esory aloha ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo;
fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo,
ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
Ary nahoana ianao no mahita ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao,
nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao?
Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe:
‘Avelao hesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao’,
nefa indro fa misy sakamandimby eo amin’ny anao?
Ry mpihatsaravelatsihy,
esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao,
ary rahefa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao
ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 20, 10-13)

Izy hanafaka ny fanahin’ny ory amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.

Efa reko izaho Jeremia ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe:

“Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza!
Torio izy! Andeha hotorintsika izy!”

Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko,
manao andry maso ny diako:
Raha mety ho voatarika izy, dia hahombiazantsika,
ka dia hamaly faty azy isika.
Ny Tompo anefa momba ahy, toy ny lehilahy mahery;
ka hitambotsotra ireo mpanenjika ahy, fa tsy haharesy.
Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy
amin’ny fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina.
Ry Tompon’ny Tafika,
Ianao Izay mizaha toetra ny marina,
Izay mahita ny voa sy ny fo,
hahita ny famalianao an’ireo aho,
fa Ianao no nanankinako ny diako.
Mihirà ho an’ny Tompo, miderà ny Tompo,
fa manafaka ny fanahin’ny ory amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 68, 8-10. 14 sy 17. 33-35

Valio noho ny haben’ny hamoram-ponao aho, Andriamanitra ô.

Noho ianao no ilonjoako latsa
sy mahasafo-kenatra ny tavako
ka olon-kafa amin’ny zanak’ineny aho
sy vahiny amin’ireo rahalahiko.

Ny fahasaro-piaroko ny tranonao
no maharìtra ny aiko;
ny latsan’ny mpandatsa anao
no miantefa amiko.

Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo!
Iantrao aho, ry Andriamanitra;
valio fa be fitiavana Ianao,
fa marina ny vonjinao.

Valio aho fa soa ny fitiavanao,
todiho fa be ny hatsaram-ponao.
Ny ory mahita ka faly:
Veloma ny aina, ry mpitady ny Tompo,
fa mihaino ny mahantra Andriamanitra;
ny babo tsy hainy hamavoina.
Hidera Azy ny tany sy ny lanitra,
ny ranomasina sy izay velona ao.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm 5, 1. 2-15)

Tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezana.

Ry kristianina havana,
nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao,
tamin’ny olona iray (izany hoe tamin’i Adama),
ary nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana
ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana,
satria nanota avokoa izy rehetra:
fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza,
saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna.
Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy,
na dia tamin’izay tsy nanao fahotana
toraka ny fandikana nataon’i Adama aza;
ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy.
Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana,
fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra,
mainka fa ny fahasoavan’ny Olona iray,
dia i Jesoa Kristy no handraisan’ny olona rehetra
an-kabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao;
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 26-33)

Aza matahotra izay mamono ny vatana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny Apôstôly hoe:

“Aza matahotra ny olona ianareo,
fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy ho fantatra.
Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina
dia ambarao eo amin’ny mazava;
ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo,
torio eny ambony tafon-trano;
ary aza matahotra izay mamono ny vatana,
fa tsy mahay mamono ny fanahy,
fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy
any amin’ny afobe.
Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa.
Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory,
raha tsy avelan’ny Rainareo.
Na ny volon-dohanareo aza dia efa voaisa avokoa.
Koa aza matahotra fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo.
Ary amin’izany,
izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra;
ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 12, 1-10)

Ny fahalemeko ihany no ireharehako.

Ry kristianina havana, mety ve ny mirehareha e?
Tsy mahasoa izany,
nefa aoka holazaiko ihany ny tsindrimandry
sy ny fanambaràna avy amin’ny Tompo.
Misy olona anankiray fantatro ao amin’i Kristy,
efa efatra ambin’ny folo taona lasa izay,
nakarina hatrany amin’ny lanitra fahatelo;
tsy fantatro na tao amin’ny vatana na tsy tao amin’ny vatana izany:
Andriamanitra no mahalala.
Ary fantatro, fa io olona io, na tao amin’ny vatana izany,
na tsy tao amin’ny vatana, tsy fantatro,
Andriamanitra no mahalala,
dia nakarina tany am-Paradisa,
ka nandre teny tsy hay tenenina, tsy azon’ny olombelona ambara;
ny amin’io olona io no hireharehako;
fa ny amin’ny tenako dia tsy misy hireharehako afa-tsy ny fahalemeko ihany.
Na dia hirehareha aza anefa aho, dia tsy hiendrik’adala,
fa ny marina ihany no holazaiko;
nefa hahatam-bava aho,
fandrao misy mihevitra ahy ho mihoatra noho izay hitany amiko,
na reny avy amiko.
Ary fandrao mirehareha noho ny halehiben’ireo fanambaràna aho,
dia nasiana tsilo tao amin’ny nofoko,
dia anjelin’i Satana hamely tehamaina ahy,
mba tsy hireharehako.
Ny amin’io dia intelo aho no nangataka tamin’ny Tompo,
mba hanalany an’io amiko,
fa izao no navaliny ahy:

“Ampy ho anao ny fahasoavako,
sady amin’ny fahalemena indrindra no hiamparan’ny heriko.”

Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko,
mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko,
amin’ny fahafaham-baràka,
amin’ny fahaterena,
amin’ny fanenjehana,
amin’ny fahantrana,
noho ny amin’i Kristy, satria ny fahalemeko no heriko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 8-9. 10-11. 12-13.

Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo.

Ny Anjely milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo:
sambatra ny olona mifefy aminy!

Matahora ny Tompo ianareo masiny:
fa izay matahotra Azy tsy orin’inona.
Ny tremalahy no tonga mahantra sy noana;
izay mitady ny Tompo, tsy orin-tsoa inona!

Avia, rey anaka, mihaino Ahy
hampianariko ny tahotra ny Tompo.
Iza no olona mankamamy fiainana
sy maniry hahita andro mahasambatra?

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 24-34)

Aza manahy ny ho ampitso ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tsy misy olona mahay manompo tompo roa,
fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany,
na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny.
Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
Noho izany, izao no ataoko aminareo:
Aza manahy foana ny amin’ny ainareo,
dia izay hohaninareo na hosotroinareo,
na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo.
Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina,
ary ny tena noho ny fitafiana?
Jereo ny voro-manidina,
fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsopitra ireny,
fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy;
ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Ary iza aminareo, na dia manahy aza,
no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza?
Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana?
Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha,
fa tsy mba miasa, na mamoly ireny;
kanefa lazaiko aminareo fa na dia i Salômôna teo amin’ny voninahiny rehetra aza
dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny.
Ka raha toy izany no fanafin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha
izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso
tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo ry kely finoana?
Noho izany aza manahy ianareo manao hoe:
Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay na inona no hotafinay?
Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany;
ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany
dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy,
ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 11, 18. 21b-30)

Tsy hamisavisa zavatra maro aho fa eo koa ny fiahiana isan’andro sy ny fikarakarana ny Fiangonana.

Ry kristianina havana,
be no mirehareha araka ny nofo, ka dia mba hirehareha koa aho.
Izay sahin’ny olona anefa, miteny toy ny adala aho, dia mba sahiko koa.
Hebrio va izy ireo? izaho koa;
Israelita va izy? izaho koa;
taranak’i Abrahama va izy? izaho koa;
mpandraharahan’i Kristy va izy? hiteny toy ny olona very saina aho,
eny mihoatra noho izy aho amin’izany,
dia amin’ny fisasarana manan-tombo,
amin’ny tranomaizina manan-tombo,
amin’ny kapoka manan-tombo lavitra,
amin’ny fahafatesana matetika.
Indimy aho, nokapohin’ny Jody inefapolo latsaka iray avy;
intelo nokapohina rotsa-kazo;
indray maka, notoraham-bato;
intelo, vaky sambo;
indray andro sy indray alina, tao an-davaka lalina.
Tany am-pivahiniana imbetsaka,
matetika no saiky nidiran-doza,
dia loza tamin’ny ony,
loza tamin’ny jiolahy,
loza tamin’ny iray firenena amiko,
loza tamin’ny jentily,
loza tao an-tanàna,
loza tany an’efitra,
loza tany amin’ny ranomasina,
loza tamin’ny rahalahy sandoka;
tamin’ny famonoan-tena sy fikelezana aina,
tamin’ny fiaretan-tory matetika,
tamin’ny hanoanana aman-ketaheta,
tamin’ny fifadian-kanina matetika,
tamin’ny hatsiaka amam-pitanjahana.
Tsy hamisavisa zavatra maro aho, fa fanampin’izany,
eo koa ny fiahiana isan’andro sy ny fikarakarana ny Eglizy rehetra.
Iza no malemy ka tsy malemy koa aho?
Zovy no tafintohina ka tsy mirehitra koa aho?
Raha mety ny mirehareha, dia ny amin’ny halemeko no hataoko rehareha.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 4-5. 6-7

Ny olo-marina esorin’ny Tompo amin’ny ahiahiny rehetra.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Mankalazà ny Tompo miaraka amiko;
miaraha isika midera ny Anarany!
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny;
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.

Mibanjìna Azy fa ho mirana;
ny tavanareo tsy hangaihay.
Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay
mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 19-23)

Miharia harena ho anareo any an-danitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza mihary harena ho anareo ety an-tany
izay misy harafesina sy kalalao manimba,
ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra;
fa miharia harena ho anareo any an-danitra
izay tsy misy harafesina na kalalao manimba,
sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra.
Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa.
Ny maso no jiron’ny tena:
raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra;
fa raha ratsy kosa ny masonao,
dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra,
ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin’ny tenanao,
fahamaizinana manao ahoana izany!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...