Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 23, 1-4. 19 ; 24, 1-8. 62-67)

Tia an-dRebekà tokoa i Isaaka ka nionona ny alahelony an-dreniny.

Ny andro niainan’i Sarà dia fito amby roapolo amby zato taona, izany no taona niainany.
Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia i Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana;
ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy.
Dia nitsangana i Abrahama niala teo anilan’ny maty,
ka niteny tamin’ny zanak’i Heta hoe:

“Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho,
ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo,
mba hisy hanalako ny fatin’ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy.”

Izay i Abrahama vao nandevina an’i Sarà vadiny, tao an-johin’i Makpelà,
tandrifin’i Mambre dia i Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana.
Efa zokiolona sy nandroso fahanterana i Abrahama
sady nosoavin’ny Tompo tamin’ny zavatra rehetra.
Ary hoy i Abrahama tamin’ny mpanompony,
ilay tranainy indrindra tao an-tranony, nikarakara ny fananany rehetra:

“Ataovy ato ambanin’ny feko ny tananao,
hampianianako anao amin’ny Anaran’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany
fa tsy haka vady ho an’ny zanako ao amin’ny zanakavavin’ny Kananeanina,
izay iraisako monina, ianao,
fa any amin’ny tanindrazako, any amin’ny tany niaviako
no halehanao haka vady ho an’i Isaaka zanako.”

Ary hoy ny navalin’ilay mpanompony:

“Angamba tsy hety hiaraka amiko hankaty amin’ity tany ity ny vehivavy;
ka ny zanakao ve no tokony hoentiko mankany amin’ny tany niavianao?”

Hoy i Abrahama taminy:

“Tandremo sao dia entinao mankany ny zanako.
Ny Tompo Andriamanitry ny lanitra izay naka ahy tao an-tranon’ny raiko,
sy tany amin’ny tany nahaterahako, izay niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe:
‘Homeko ny taranakao ity tany ity’,
dia Izy ihany koa no haniraka ny Anjeliny eo alohanao,
ka haka vady avy any ho an’ny zanako ianao.
Ary raha tsy mety hanaraka anao ny vehivavy
dia afaka amin’izao fianianana ampanaoviko izao ianao;
fa aza entina mankany ny zanako.”

Tamin’izany i Isaaka tonga avy any amin’ny fantsakan’i Kaï-Roy
ka nonina teo amin’ny tany Atsimo.
Indray hariva, raha ilay nivoaka mba hieritreritra tany an-tsaha iny izy,
ka nanopy ny masony, dia indreny misy rameva tamy.
I Rebekà koa nanopy ny masony ka nahatazana an’i Isaaka,
dia nitsambikina niala teny amin’ny rameva;
ary nanao tamin’ilay mpanompo hoe:

“Iza iry lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika iry?”

Dia hoy ilay mpanompo:

“Ny tompoko iny.”

Koa dia noraisin-dRebekà ny voaliny, dia nisaronany.
Nambaran’ity mpanompo tamin’i Isaaka avokoa ny zavatra rehetra nataony.
Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny,
sady nampakariny ho vady.
Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 105, 1-2. 3-4a. 4b-5

Derao ny Tompo fa tsara.

Derao ny Tompo fa tsara:
eny, mandrakizay ny hatsaram-pony.
Iza no hahalaza ny Asa maherin’ny Tompo?
Zovy no hahaventy ny fiderana Azy rehetra?

Sambatra izay mitandrina ny rariny,
sy manao ny hitsiny amin’ny fotoan-drehetra!
Tsarovy izahay, ry Tompo,
izay tia ny vahoakanao!

Vangio amin’ny famonjenao izahay:
te-hahita ny hasambaran’ny Voafidinao,
sy hifaly amin’ny fifalian’ny firenenao!
Eny, izahay te-hiravo miaraka amin’ny Lovanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo;
Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)

Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody; ary ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona.

Tamin’izany andro izany, tao Kafarnaôma,
nony niala teo amin’ilay malemy nositraniny i Jesoa
dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio,
nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy:

“Andeha hanaraka Ahy ianao.”

Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany.
Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana ity Mpampianatrareo
no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”

Fa hoy i Jesoa nandre izany:

“Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
Mandehana àry ianareo ka fantaro ny hevitr’izao teny izao:
Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona;
fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 22, 1-19)

Ny sorona nataon’i Abrahama Razambentsika.

Tamin’izany andro izany,
nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe:

“Ry Abrahama ô!”

Ary hoy izy:

“Inty aho.”

Dia hoy Andriamanitra:

“Ento ny zanakao, ilay lahitokanao, ilay tianao, dia i Isaaka,
ka mankanesa any amin’ny tany Môrià,
ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana
eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.”

Nifoha maraina koa i Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany,
naka roa lahy tamin’ny mpanompony hiaraka aminy, sy i Isaaka zanany,
ary namaky ny hazo hataina amin’ny sorona dorana,
dia niainga nankany amin’ny tany efa nolazain’Andriamanitra azy.

Nony tamin’ny andro fahatelo,
nanopy ny masony i Abrahama ka mbola lavitra ihany izy
dia nahatazana ilay toerana,
dia nilaza tamin’ireo mpanompony i Abrahama nanao hoe:

“Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo,
fa izahay sy ny zaza dia mikasa ho ery hivavaka,
vao hiverina eto aminareo indray.”

Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana,
ka natataony an’i Isaaka zanany,
ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany,
dia niara-nandeha izy mianaka.
Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy:

“Dada ô!”

Ka hoy ny navaliny:

“Inty aho, anaka.”

Dia hoy i Isaaka:

“Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto,
fa izay zanak’ondry atao sorona dorana kosa no aiza?”

Hoy ny navalin’i Abrahama:

“Hataon’Andriamanitra izay hahitana ny zanak’ondry
hatao sorona dorana, anaka.”

Dia niara-nandeha izy mianaka.

Nony tonga teo amin’ny toerana natoron’Andriamanitra azy izy,
dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely;
nalahany ny kitay hazo, ary nafatony i Isaaka zanany,
ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay.
Dia naninjitra ny tanany i Abrahama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany.
Tamin’izay niantso tany an-danitra ny Anjelin’ny Tompo nanao hoe:

“Ry Abrahama! ry Abrahama ô!”

Ka hoy ny navaliny:

“Inty aho.”

Dia hoy ny Anjely:

“Aza manainga ny tananao hamely ny zaza,
ary aza maninomaninona azy akory,
fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao,
sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao,
ilay lahitokanao ho Ahy.”

Ary nanopy maso i Abrahama ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony,
voasingotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony;
dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy,
ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.
Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran’io toerana io.
Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe:

“Ho hita ihany izany any an-tendrombohitry ny Tompo.”

Ary ny Anjelin’ny Tompo niantso an’i Abrahama fanindroany tany an-danitra,
ka nanao hoe:

“Efa nianiana tamin’ny teniko Aho, hoy ny Tompo,
fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao,
ilay lahitokanao, ho Ahy,
dia hanisy soa anao Aho,
hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra
sy ny fasika eny amoron-dranomasina,
ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
satria nanaiky ny teniko ianao.”

Dia niverina nankeny amin’ny mpanompony i Abrahama
ka niainga izy ireo niara-nandeha nankany Bersabea.
Ary nonina tao Bersabea i Abrahama.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 114, 1-2. 3-4. 5-6. 8-9

Koa hizotra eo anatrehan’ny Tompo aho, any amin’ny tanin’ny velona.

Izaho tia ny Tompo,
noho Izy mandre ny feoko mihanta:
itongilanany sofina aho
amin’ny andro iantsoako Azy!

Efa voagejan’ny rohin’ny fahafatesana aho,
efa niantontàn’ny haraton’ny Seoly,
tojo fahoriana sy ahiahy,
ka niantso ny Anaran’ny Tompo.

Ny Tompo antra sy marina;
ny Andriamanitray mahay mangoraka;
ny Tompo Mpiaro ny olon-tsotra:
osa aho ka novonjeny.

Eny, Ianao no manafaka
ny aiko amin’ny fahafatesana,
ny masoko amin’ny tomany,
ny tongotro amin’izay manafintohina!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo,
ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio ( Mt. 9, 1-8)


Nankalaza an’Andriamanitra ny vahoaka noho Izy nanome fahefana ny olona toy izany.

Tamin’izany andro izany,
niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa,
dia nita ka tonga tao an-tanànany.
Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy
nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy.
Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa,
dia hoy Izy tamin’ilay malemy:

“Matokia anaka,
fa voavela ny helokao.”

Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe:

“Miteny ratsy an’Andriamanitra ilay io.”

Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe:

“Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
Inona no moramora kokoa, ny manao hoe:
‘Voavela ny helokao’,
sa ny manao hoe:
‘Mitsangàna, ka mandehana?’
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona
manam-pahefana ety an-tany hamela heloka”,

dia hoy Izy tamin’ilay malemy:

“Mitsangàna, ento ny fandrianao,
ary modia any an-tranonao.”

Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony.
Nony nahita izany ny vahoaka,
dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra
noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 21, 5. 8-20)

Tsy mahazo miray lova amin’i Isaaka zanako ny zanak’io mpanompovavy io.

Efa zato taona i Abrahama tamin’ny nahaterahan’i Isaaka zanany.
Nihalehibe ny zaza dia notàzana.
Ary nanao fanasana lehibe i Abrahama tamin’ny andro nanotazana an’i Isaaka.
Ilay zanak’i Agara Ejipsianina naterany tamin’i Abrahama kosa,
hitan’i Sarà fa nihomehy, ka hoy izy tamin’i Abrahama:

“Roahy io andevovavy io sy ny zanany;
fa ny zanak’io andevovavy io
dia tsy mahazo miray lova amin’ny zanako,
amin’i Isaaka.”

Nampalahelo mafy an’i Abrahama izany teny izany,
noho ny amin’ny zanany.
Fa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama:

“Aza atao mampalahelo anao ny amin’ny zaza sy ny andevovavinao,
fa na inona na inona angatahin’i Sarà, ekeo avokoa,
satria avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranaka hitondra ny anaranao.
Kanefa hotongaviko firenena ihany koa ny zanaky ny andevovavinao,
satria terakao izy.”

Dia nifoha maraina koa i Abrahama,
ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray;
nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa,
dia nalefany izy.
Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.
Nony lany ny rano tamin’ilay siny hoditra,
dia nariany teo am-poto-kazo kely anankiray ny zaza;
ary lasa izy nipetraka lavidavitra tandrifiny
sahabo ho tra-tsipìka; fa hoy izy:

“Tsy tiako ny hahita ny hahafatesan’ny zaza.”

Koa nipetraka tandrifiny izy, dia nanandra-peo ary nitomany.
Andriamanitra nandre ny feon’ny zaza,
ka ny Anjelin’Andriamanitra tany an-danitra
dia niantso an’i Agara nanao hoe:

“Fa maninona izato ianao, ry Agara?
Aza matahotra fa efa henon’Andriamanitra ny feon’ny zaza,
ao amin’ny toerana misy azy.
Mitsangàna ianao, areno ny zaza, ka tantano izy;
fa hataoko firenena lehibe izy.”

Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Agara,
nahita lavaka fantsakana izy,
ary nofenoiny rano tao ny siny hoditra,
dia nampisotroiny ny zaza.
Nomban’Andriamanitra ny zaza, ka nihalehibe;
ary nonina tany an’efitra izy,
sy tonga mpandefa tsipìka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 7-8. 10-11. 12-13

Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo.

Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny Anjeliny milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.

Matahora ny Tompo ianareo masiny:
fa izay matahotra Azy tsy orin’inona.
Ny tremalahy no tonga mahantra sy noana;
izay mitady ny Tompo tsy orin-tsoa inona.

Avia, rey anaka, mihaino ahy
hampianariko ny tahotra ny Tompo!
Iza no olona mankamamy fiainana
sy maniry hahita andro mahasambatra?

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy
sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 28-34)

Tonga Ianao hampijaly ny demony amin’izao fotoana izao.

Tamin’izany andro izany,
nony efa tonga teny am-pita tamin’ny tanin’ny Geraseny i Jesoa,
dia nisy lehilahy roa nidiran’ny demony,
nivoaka avy tamin’ny fasana, ka namantana taminy;
masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany.
Ary indreo izy niantso hoe:

“Mifampaninona izahay sy Ianao,
ry Jesoa Zanak’Andriamanitra?
Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao aty?”

Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra Azy teny,
ka nihanta tamin’i Jesoa ny demony nanao hoe:

“Raha dia roahinao hiala eto àry izahay,
mba alefaso amin’iretsy andian-kisoa iretsy.”

Ary hoy Izy taminy:

“Mandehana.”

Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin’ny kisoa;
niaraka tamin’izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra,
ka maty tany anaty rano.
Ary nandositra ny mpiandry azy:
ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany,
sy ny amin’ireo olona roa nidiran’ny demony.
Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa,
ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 19, 15-29)

Nalatsaky ny Tompo tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny solifara sy ny afo.

Tamin’izany andro izany nododonan’ny Anjely i Lôta nataony hoe:

“Mitsangàna ianao, ento ny vadinao sy ireto zanakao roa vavy eto,
fandrao dia maty ianao amin’ny loza hanasaziana ny tanàna.”

Mbola nitaredretra anefa izy,
dia noraisin’izy roa lahy tamin’ny tanany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy,
fa tian’ny Tompo ny hiaro azy,
dia nentiny izy, navoakany tany ivelan’ny tanàna.
Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin’ireo Anjely:

“Mandosira fa mihatra amin’ny ainao izao,
ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin’ny tany lemaka;
mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty ianao.”

Hoy i Lôta tamin’izy ireo:

“Tsia, Tompoko,
efa nahita fitia eo imasonao ihany ny mpanomponao,
ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin’ny mpanomponao ianao,
tamin’ny namelomanao ny aiko;
nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho,
fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana ka ho faty.
Jereo fa misy tanàna akaiky ialofako itsy, sady tanàna kely foana,
ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io,
dia ho velona aho.”

Dia hoy izy taminy:

“Eny àry,
ekeko ihany koa ny fangatahanao tsy handrava io tanàna io.
Fa mandehàna faingana àry handositra ao
fa tsy afa-manao na inona inona aho,
raha tsy efa tonga ao ianao.”

Izany no anaovana ny anaran’io tanàna io hoe Segôra.
Niposaka tamin’ny tany ny masoandro, dia tonga tao Segôra i Lôta.
Tamin’izay dia nalatsaky ny Tompo tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny solifara sy afo
avy any amin’ny Tompo any an-danitra,
ka nandrava ireo tanàna ireo, mbamin’ny tany lemaka rehetra,
sy ny mponina rehetra teo amin’ny tany.
Niherika ny vadin’i Lôta ka zary andry, sira.

Nifoha marainakoa i Abrahama
dia nankany amin’ilay toerana nijanonany teo anatrehan’ny Tompo.
Nitazana nankany Sôdôma sy Gômôra mbamin’ny tany lemaka rehetra izy,
ka nahita setroka niakatra avy amin’ny tany toy ny setroka avy amin’ny memy.
Nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin’ny tany lemaka,
ka nanafaka an’i Lôta tamin’ny fikorontanana Izy,
nony nanakorontana ny tanàna nonenan’i Lôta.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 25, 2-3. 9-10. 11-12

Ny hatsaram-ponao, ry Tompo, no anoloan’ny masoko.

Diniho aho, ry Tompo, tsikilovy;
sedrao ny saiko sy ny foko!
Ny hatsaram-ponao no anoloan’ny masoko;
ny fahamarinanao no izorako.

Aza aharo amin’ny mpanota ny fanahiko,
na amin’ny olon-tia ra ny aiko.
Ny tanany ilany mivimbina sampy;
ny ilany feno kolikoly.

Fa izaho madio fiaina.
Koa avoty, ry Tompo, iantrao!
Fa miara-mamindra amin’ny olo-marina aho,
ary misaotra ny Tompo ao am-piangonana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo;
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 23-27)

Niarina Izy nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niondrana tamin’ny sambo kely ka narahin’ny mpianany.
Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina,
ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory.
Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe:

“Tompoko, vonjeo izahay, fa maty.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?”

Dia niarina Izy,
nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.
Ary gaga ny olona, ka nanao hoe:

“Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...