Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 9, 31-42)

Niorina ny Fiangonana, ary feno ny fanalana alahelo avy amin’ny Fanahy Masina.

Tamin’izany andro izany,
dia niadana ny Eglizy eran’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo
fa sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo izy,
no nihamaro tamin’ny famporisihan’ny Fanahy Masina koa.
Tamin’izay,
raha namangy ny mpianatra rehetra isan-tanàna i Piera,
dia nankao amin’ny olona masina izay nonina tao Lidà koa,
ka nahita lehilahy anankiray atao hoe i Enea,
izay nandry teo am-pandriana hatramin’ny valo taona, fa malemy,
ary nanao taminy hoe:

“Ry Enea;
mitsangàna ka amboary ny fandrianao.”

Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy.
Nony nahita azy izay rehetra nonina tao Lidà sy Sarôna,
dia nibebaka nanatona ny Tompo avokoa.

Ary tany Jôpe nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe i Tabita,
na hoe Dôrkasy raha adika,
izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka.
Narary izy tamin’izany andro izany, dia maty;
ka nony avy nampandroina ny fatiny,
dia napetraka tao amin’ny efitrano ambony.
Ary i Lidà moa dia akaikin’i Jôpe ihany;
ka ren’ny mpianatra fa hoe ao i Piera,
dia naniraka roa lahy ho any aminy izy ireo hangataka azy hoe:

“Aza miatoato hankatý aminay.”

Dia nitsangana i Piera ka niara-nandeha tamin’ireo.
Nony tonga izy,
dia nentina tany amin’ny efitra ambony,
ka nohodidinin’ny mpitondratena rehetra,
izay sady nitomany no nampiseho taminy ny lamba aman’akanjo
nataon’i Dôrkasy fony fahavelony.
Navoakan’i Piera avokoa ny olona rehetra,
dia nandohalika izy ka nivavaka,
vao nanatrika ny faty nanao hoe:

“Ry Tabità, mitsangàna.”

Dia nahirany ny masony,
ka nony nahita an’i Piera izy, dia niarina.
Ary i Piera kosa nanolo-tanana azy,
sy nampitsangana azy;
dia niantso ny olona masina sy ny mpitondratena,
ka nanolotra azy velona tamin’izy ireo.
Niely eran’i Jôpe manontolo izany,
ka betsaka no nino ny Tompo.
Ary i Piera nitoetra andro maromaro tany Jôpe,
tao amin’ny mpandon-koditra atao hoe i Simôna.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 115, 12-13. 14-15. 16-17

Inona no havaliko ny Tompo noho ny soa rehetra nataony ahy?

Inona no havaliko ny Tompo,
fa maro dia maro ny soa nataony?
Halaiko ny kalisim-pamonjena;
hantsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.

Hefaiko ny voady iray nolazaiko,
hefaiko anatrehan’ny firenena.
Tsy zakan’ny Tompo tokoa anie,
ny hoe hahafaty izay mino Azy.

Ry Tompo ô, satria aho mpanomponao,
satria aho mpanompo matoky Anao.
Fa zanaka mpanompovavinao,
dia indro ny gadrako esorinao.
Hanatitra sorom-pisaorana aho,
hiantsoako amy foko ny Anaranao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 61-69)

Hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Tamin’izany andro izany,
raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma i Jesoa,
dia nilaza hoe:

“Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
no manana ny fiainana mandrakizay.”

Betsaka tamin’ny mpianany nony nandre izany no nanao hoe:

“Sarotra izany teny izany,
ka iza no mahahaino izany?”

Ary fantatr’i Jesoa tao am-pony,
fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany, ka hoy Izy taminy:

“Manafintohina anareo va izany?
Hanao ahoana ianareo,
raha mahita ny Zanak’Olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha.
Ny fanahy no mahavelona,
ny nofo tsy mahasoa ohatr’inona akory;
ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana.
Nefa misy tsy mino aminareo.”

Fa fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany,
izay tsy hino sy izay hamadika Azy.
Ary hoy Izy:

“Izany no nilazako taminareo
fa tsy misy mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany.”

Hatramin’izay dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra,
ka tsy niaraka taminy intsony.
Ka hoy i Jesoa tamin’ny roa ambin’ny folo lahy:

“Ianareo koa va mba te-hiala?”

Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe:

“Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay?
Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay;
ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 9, 1-20)

Fanaka voafidy ho Ahy io lehilahy io, hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily.

Tamin’izany i Saoly,
dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo,
ka nanatona ny lehiben’ny mpisorona izy,
nangataka taratasy taminy ho an’ny sinagôgan’i Damasy
mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema
izay rehetra hitany manaraka izany lalàna izany,
na lahy na vavy.
Raha mbola teny an-dalana izy,
ka efa mby akaikin’i Damasy dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra
nanjelajelatra nanodidina azy.
Dia lavo tamin’ny tany izy,
ary nandre feo nanao taminy hoe:

“Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?”

Ka hoy izy:

“Iza moa Ianao, Tompoko?”

Ary hoy ny Tompo:

“Izaho no i Jesoa izay enjehinao;
sasa-poana ianao mitroatra manohitra ny fanindronana.”

Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe:

“Tompo ô, inona no tianao hataoko?”

Ary hoy ny Tompo taminy:

“Mitsangàna, ka midira ao an-tanàna
ary ao no holazaina aminao izay tsy maintsy hataonao.”

Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy,
fa nandre ny feo,
nefa tsy nahita olona na iza na iza.
Nony niarina avy hatreo i Saoly,
dia nanokatra ny masony,
fa tsy nahita na inona na inona;
ka olona no nitantana azy hankao Damasy.
Ary hateloana izy no tsy nahita,
sady tsy nihinana na nisotro.

Tao Damasy fahizay,
dia nisy mpianatra anankiray atao hoe i Anania;
nilazan’ny Tompo tamin’ny tsindrimandry hoe:

“Ry Anania!”

Dia hoy izy:

“Inty aho, Tompoko.”

Ary hoy ny Tompo taminy:

“Mitsangàna, ka mandehana any amin’ny lalana atao hoe Mahitsy,
tadiavo ao an-tranon’i Joda,
fa misy lehilahy atao hoe i Saoly avy any Tarsy,
efa mivavaka izy izao.”

(Tamin’izay koa i Saoly
dia nahita lehilahy anankiray tamin’ny tsindrimandry atao hoe
i Anania izay niditra sy nametra-tanana taminy mba hampahiratra azy).
Ary i Anania namaly hoe:

“Tompoko,
reko tamin’ny olona maro fa loza loatra no nafitsok’io lehilahy io
tamin’ny olonao masina tao Jerosalema;
ary aty indray izy izao nahazo fahefana tamin’ny lehiben’ny mpisorona koa,
mba hamatotra izay rehetra miantso ny Anaranao.”

Fa hoy ny Tompo taminy:

“Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho Ahy,
hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily
sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely;
ary asehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany noho ny Anarako.”

Dia nandeha i Anania, ka nony tonga tao an-trano,
dia nametra-tanana taminy nanao hoe:

“Ry Saoly rahalahy,
i Jesoa Tompo, izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao,
dia naniraka ahy mba hahiratra indray ianao
sy ho feno ny Fanahy Masina.”

Niaraka tamin’izay,
nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano niala teo amin’ny masony,
ka nahiratra indray izy.
Dia nitsangana izy ka natao Batemy;
ary nihinan-kanina dia natanjaka indray.

Niara-nitoetra andro vitsy tamin’ny mpianatra tao Damasy i Saoly,
ary nitory teo amin’ny sinagôga niaraka tamin’izay izy,
ka nilaza fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 116, 1. 2

Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely.

Ianareo firenena rehetra,
aoka hiara-midera ny Tompo!
Ry vahoaka eran-tany tontolo,
aoka hiantsa ny Tompo ianareo.

Ny fitiavany anay tsy mba lefy,
tsy mivadika mandrakizay!
Hankalaza ny Tompo àry isika,
Izy Tompo manjaka amintsika!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 53-60)

Tena fihinana ny Nofoko ary tena fisotro ny Rako.

Tamin’izany andro izany,
dia nifanditra ny Jody nanao hoe:

“Hataon’Ilay io ahoana àry
no fanome antsika ny Nofony hohanina?”

Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’Olona ianareo
sy tsy misotro ny Rany,
dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
no manana ny fiainana mandrakizay,
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Fa tena fihinana ny Nofoko,
ary tena fisotro ny Rako.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako,
dia mitoetra ao anatiko,
ary Izaho ao anatiny.
Velona ny Ray naniraka Ahy,
Izaho koa dia velona ao amin’ny Ray;
toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.
Izany àry ny mofo nidina avy any an-danitra:
tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany;
fa izay mihinana ity mofo ity kosa
dia ho velona mandrakizay.”

Izany no nolazainy
raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

{/tab}

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 8, 26-40)

Raha mino amin’ny fonao manontoto ianao dia azo atao Batemy.

Tamin’izany andro izany,
dia nisy Anjelin’ny Tompo niteny tamin’i Filipo nanao hoe:

“Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo
any amin’ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gazà,
izay tanàna foana.”

Dia nitsangana izy ka nandeha.
Ary indro nisy lehilahy anankiray avy any Etiôpia,
olombositra sy manamboninahitra lehibe
tao amin’ny Kandasy mpanjakavavin’i Etiôpia,
sady mpitandrina ny fananany rehetra,
tonga tany Jerosalema mba hivavaka.
Nony niverina izy,
ka nipetraka teo ambonin’ny kalesiny,
dia namaky ny bokin’i Izaia mpaminany.
Ary hoy ny Fanahy Masina tamin’i Filipo:

“Mandehana manatona io kalesy io.”

Dia nihazakazaka i Filipo
ka nandre ilay olona namaky ny bokin’i Izaia mpaminany,
ary nanao taminy hoe:

“Moa fantatrao tsara va izay vakìnao?”

Ka hoy izy:

“Hataoko ahoana no fahalala izany
raha tsy misy olona mitari-dalana ahy?”

Dia nangataka an’i Filipo hiakatra ho eo aminy izy.

Ary izao no novakìny tao amin’ny Soratra Masina:
Nentina hovonoina mova tsy ny ondry Izy,
ary tsy niloa-bava toy ny zanak’ondry moana
eo anatrehan’ny mpanety azy.
Fitsarana miangatra erý no nanesorana Azy,
ary iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra
fa nongotana tamin’ny tanin’ny velona Izy?

Dia niteny tamin’i Filipo ilay olona nanao hoe:

“Masìna ianao,
iza no antsoin’ny mpaminany amin’izany?
ny tenany ve sa olon-kafa?”

Ary i Filipo niloa-bava,
nanomboka tamin’ireo tenin’ny Soratra Masina ireo,
ka nitory an’i Jesoa taminy.

Nony nandeha kelikely izy ireo, dia sendra rano,
ka hoy ilay manamboninahitra:

“Indro eo rano,
ka inona no misakana ahy tsy hatao Batemy?”

Dia hoy i Filipo:

“Raha mino amin’ny fonao rehetra ianao,
dia azo atao ihany izany.”

Ary namaly izy nanao hoe:

“Mino aho
fa i Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra.”

Dia nasainy najanona ny kalesy,
ary niara-nidina nankeo anaty rano izy sy i Filipo,
ka nanao Batemy azy i Filipo.
Nony niakatra avy teo amin’ny rano izy ireo
nentin’ny Fanahin’ny Tompo i Filipo,
ka tsy hitany intsony,
fa nizotra ny lalany an-kafaliana izy.
Fa i Filipo kosa tonga tany Azôta,
ary nitory ny Evanjely tamin’ny tanàna rehetra nandalovany
mandra-pahatongany tany Sezarea.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 65, 8-9. 16-17. 20

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo.

Misaora an’Andriamanitra, rey vahoaka.
Redony ny feo fiderana Azy!
Fa ny fanahinay novelominy;
ny tongotray tsy navelany ho solafaka!

Tongava avokoa izay matahotra an’Andriamanitra!
Mihainoa hitantarako izay nataony tamiko:
dia Izy ilay fiantson’ny vavako
sy fideran’ny lelako.

Hisaorana anie
Andriamanitra,
izay tsy nanala tamiko,
ny hatsaram-pony.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 44-52)

Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny vahoaka hoe:

“Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory
raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy,
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe:
Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra.
Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray
ka nianatra taminy no manatona Ahy.
Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory:
fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray.
Lazaiko marina dia marina aminareo:
Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay.
Izaho no mofon’aina.
Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra,
nefa maty ihany;
tsy toy izany ny mofo nidina avy any an-danitra,
fa tsy ho faty izay mihinana azy.
Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity mofo ity
dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko
ho fiainan’izao tontolo izao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 8, 1-8)

Nitety tany nitory ny tenin’Andriamanitra izy ireo.

Androtry ny nahafaty an’i Etiena ihany,
dia nisy fanenjehana mafy tamin’ny Eglizy tao Jerosalema,
ka niely tany Jodea sy Samaria ny mpianatra rehetra,
afa-tsy ny Apôstôly ihany.
Nisy mpivavaka tsara sasany nandevina an’i Etiena
sady nitomany azy fatratra.
Fa i Saoly kosa nanenjika ny Eglizy;
nidirany nosarihany tany an-trano na lahy na vavy,
ka nataony an-tranomaizina.
Ry zareo niely tamin’izay,
dia nitety tany nitory ny tenin’Andriamanitra.
Ary i Filipo nidina tany an-tanànan’i Samaria,
ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao.
Nandre sy nahita ny fahagagana nataon’i Filipo ny vahoaka maro be,
ka nihaino tsara izay nolazainy.
Fa maro ny olona azon’ny fanahy maloto
no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy;
betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa;
ka hafaliana moa izany no tao amin’izany tanàna izany!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 65, 4-5. 6-7a

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo.

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo!
Antsao ny Anarany be voninahitra!
Miderà Azy, ka miantsoa hoe:
Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra!

Miankohoka aminao ny tany tontolo,
sy miantsa ny Anaranao, sy miantsa Anao!
Tongava hizaha ny asan’Andriamanitra!
Mahatahotra ity nataony ho an’ny zanak’olombelona!

Ny ranomasina novany ho tanety;
ny ony novakina toy ny tany maina!
Koa aoka isika hifaly aminy!
Ny heriny manjaka mandrakizay!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 35-40)

Izao no sitra-pon’ny Raiko: Mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka, ka mino Azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Izaho no mofon’ny fiainana;
izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony,
ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
Fa efa voalazako taminareo,
fa nahita Ahy ianareo, nefa tsy mino.
Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy,
ary izay manatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany,
satria Izaho no nidina avy any an-danitra
dia tsy ny hanao ny sitra-poko,
fa ny sitra-pon’izay naniraka Ahy.
Ary izao no sitra-pon’izay naniraka Ahy,
dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy,
fa ny mba hananganako azy amin’ny farandro.
Satria izao no sitra-pon’ny Raiko izay naniraka Ahy,
dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay
izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino Azy,
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...