6 febroary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-13)

Mirongatra ny fandraisan'ny tanora na ny olon-dehibe ny zava-mahadomelina ankehitriny. Tanjontsika ny hanampy ny tanora sy ny ray aman-dreny hisorohana ny fandraisana zava-mahadomelina. Maro ny antony mandrisika ny olona handray zava-mahadomelina, isan'ireny ny fitadiavana fahafinaretana, fanalana tahotra... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

5 febroary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 53-56)

Azo sokajiana telo lehibe ny Sakramenta : Sakramenta firosoana ho Kristiana, Sakramenta ny fanasitranana, Sakramenta fanirahana sy firotsahana. Mbola azo sokajiana roa ihany koa anefa ny Sakramenta : Sakramentan'ny maty, hamelomana ny olona ao anatin'ny fahafatesana ara-panahy ; Sakramentan'ny velona, ho an'ireo efa novelomina tamin'ny Batemy sy ny pentasy no afaka mandray azy...

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...