Ny relijiozy dia manao ny voadin'ny fahantrana an-tsitrapo ; i Kristy, ilay nanaiky hahantra mba hampanan-kerena antsika amin'ny fahantrany, araka ny ambaran'i Masindahy Paoly ao amin'ny Taratasy faharoa ho an'ny Kôrintianina. Ny fiankinan'ny relijiozy amin'ny Lehibeny amin'ny fampiasana ny harena dia fanehoana ny fahantrana... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Alahady 13 jolay 2025 - Alahady faha-15 mandavantaona — "D" : Akaiky antsika Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Zava-poana ny fanarahana ny lalàna anefa tsy mahavita manolontena ho fanasoavana ny hafa ; ilaina ny fitiavana namana, sy ny fangorahana ny hafa. Ny tena fitiavana marina dia ny fanafohanana ny elanelana, tsy fitoviana na harena na fahefana. Mila fanatrentena ny fitiavana ny hafa. Ny namana tsara dia ireo izay mikaraka ny hafa, ireo maneho hatsaram-po, ireny no miteraka fifankatiavana sy finamanana lafatra...
Ny fanoloran-tena amin'ny fiainan-drelijiozy dia fanapahan-kevitra hanaraka an'i Jesoa Kristy akaikikaiky kokoa sy hanahaka ny fiainany madio, mahantra sy manetry tena. Ny Voady telo (fahadiovana natokana ho an'Andriamanitra, fahantrana ary fanekena) no maha-relijiozy. Tamin'ny alalan'ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly no nampijoroana ny rafi-piainana maharitra... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
I Kristy ilay Masina no manamasina ny Fiangonana, nanolon-tena ho azy satria noraisiny ho toy ny vadiny ny Fiangonana. Ny Fiangonana dia Vahoakan'Andriamanitra misy ny Eveka, Pretra sy ny Lahika ary ny relijiozy ary mifototra sy mivondrona ao amin'i Kristy. Ny fanarahana ny toro-hevitry ny Evanjely no hevitra fototra iraisan'ny Relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco