Alahady 05 jolay 2026. Alahady faha-14 mandavantaona — A — I Jesoa : Be fitiavana sy malemy fanahy ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Ny harerahana dia mpahazo ny olombelona : ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina, izay vokatry ny ahiahy isan'andro, ireo olana maro samihafa. Maro ireo mitsiky ety ivelany fa manana olana lalina anaty, anefa mbola eo Jesoa, efa nilaza fa hanamaivana ireo izay mahavesatr'entana. Tsy mamaly herisetra Andriamanitra fa ny manala ny fototry ny herisetra no ataony. Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po i Jesoa...

Adidy ny fitiavana ny Tanindrazana, ary zavatra voajanahary izy io, porofon'izany dia nitia ny Tanindrazany i Jesoa, nitomany izy nilaza hoe : "Ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho ao aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao toy ny hanangonan'ny reny akoho ny zanany, eo ambany helany fa tsy nety nihaino ianao. Adidy ny fihainoana ny tenin'ireo ray aman-dreny izay manamafy ny rariny sy ny hitsiny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Didy fahadimy amin'ny Didin'Andriamanitra ny hoe "Aza mamono olona". Ny mamono olona tsy amin'ny rariny, na mamono tena no voarara amin'io didy io, izany hoe famonoana olona noho ny fankahalana, na managadra olona noho ny valifaty, managadra olona noho ny tombontsoa, ny famonona ireo marary ho fampitsaharana ny fanaintainany, ny manala zaza sy ny mikapoka vehivavy mitondra vohoka. Fahotana lehibe ny famonona olona satria misandoka ny fahefan'Andriamanitra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 21 jona 2026 - Alahady faha-12 mandavantaona — A — : Mahatoky Andriamanitra ka reseo ny tahotra ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Teny miverimberina anatin'ny Evanjely ny hoe "Aza matahotra" fantatr'i Jesoa fa io no sakana tsy afahantsika manaraka ny diany (tahotra ho very asa, tsy fahombiazana, aretina, very fananana, haneho sy hanoehoan'olona hevitra, fanenjehana, fiainana sarotra, tahotra hijoro amin'ny marina) Kanefa ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany....

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...