Alahady 29 jona 2025 : Fankalazana manetriketrika an’i Masindahy Piera sy i Paoly, Apôstôly ; ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Masindahy Piera no nanankinan'i Jesoa ny Eglizy, tao Cesare an'i Filipo. Apôstôly roa lehibe tsy azo hampitahaina i Masindahy Piera sy Paoly : nanankinana ny Eglizy, nanely ny finoana, samy nijoro tamin'ny finoana. Nitety firenena maro tany Eorôpa i Masindahy Paoly, ary notapahan-doha tao Rome tamin'ny taona 76...
28 jona — Teraka nanodidina ny taona 120 tao Asie Mineure i Masindahy Irenée ary tao no nandaniany ny fahazazany. Tamin’ny fahatanorany no nahalalany an’i Masindahy Polycarpe eveka tao Smyrne ary lasa mpianatra mahafatra-po an’ity eveka ity izy. Nohajainy tokoa io mpampianatra azy io, nandalina fatratra ny Soratra Masina sy ny lovam-panahin’ny Apôstôly izy ary tena niaina izany.
Ny apôstôlàn'ny lahika dia ny fandraisana an-tanana sy anjara mavitrika ataon'ny lahika amin'ireo asa famonjena ny olona iandraiketan'ny Fiangonana. Ny Fanahy Masina noraisina tamin'ny Sakramentan'ny Batemy sy ny Fankaherezana no apinga entina manatanteraka ny asa no maniraka. Ny Lahika rehetra dia manana adidy hitondra famonjena ho an'ny olona tsy ankanavaka... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
27 jona — Niaina tamin’ny taona 376 hatramin’ny 27 jona 444 i Cyrille. Notendrena ho patriarka handimby an’i Theophile izy ny 17 oktobra 412. Nafana fo tamin’ny ady manohitra ireo fampianaran-diso momba ny finoana izy, nakatony ny fiangonan’ireo novatiens, ary nenjehany ireo Jiosy tao an-tanana.
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco