Ny asa sy ny fandrosoana dia mikendry hanatsara ny fiainana mba hifanaraka amin'ny lahatr'Andriamanitra. Noforonina araka ny endrik'Andriamanitra ny olombelona, nomeny andraikitra sy iraka, mba hizaka ny tany sy izay rehetra eo aminy, hitondra ny voary tontolo amin'ny fahamasinana sy amin'ny fahamarinana ary hanaiky an'Andriamanitra Mpahary... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.

I Jesoa Kristy irery ihany no fahamarinana, sy hany lavorary, izay mihendraka amin'ny dia very. I Kristy no naharian'Andriamanitra an'izao tontolo izao, ny voahary manontolo dia miandry ny fiverenany amim-boninahitra. Ny fiangonana ankehitriny dia miatrika ny zava-misy ka mampita ny hafitr'i Jesoa Kristy amin'ny alalan'ny Sorotra Masina noho izany dia ny Evanjely no hany hatsapana ny lanja ny fiainana, izany hoe amin'ny alalan'ny Tenany sy ny Teniny. Irina ny mba hisian'ny fotoam-pivavahana sy famakiana Soratra Masina amin'ny fitokanana maro samihafa... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Miezaka mandrakariva ny hampivelatra ny fisiany sy ny fiainany ary manatanteraka ny drafitr'Andriamanitra mikasika antsika olombelona ny Fiangonana. Amin'izao andro izao, ampian'ny siansa sy ny teknôlôjia dia hita fa niha niitatra ny fahefan'ny olona manoloana ny zava-boahary ary tsy mitsaha-mitombo izany. Ny Fiangonana dia mpiaro sy mpitahiry ny Tenin'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.

Alahady 19 aprily 2026 - Alahady faha-3 - Taona "A" fankalazana ny Paka : Mitoera eto aminay, Ry Tompo ; Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao Azo zaraina efatra ny dingana nizoran'ireo roalahy vao nahalala an'i Jesoa : Ny fahadisoam-panantenana teo amin'izy roalahy, ny fahatongavan'i Jesoa niara-dalana tamin'izy ireo, Jesoa mampianatra ny Tenin'Andriamanitra, ary farany ny famakiana ny mofo nataon'i Jesoa.  I Jesoa, Andriamanitra dia tsy miandry fotsiny antsika ao amin'ny Tabernakle fa manantona antsika eny amin'ny fiainana andavanandro, anaty ny sarotra, ary mihaino Izy....

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...