Tsy maintsy nijoro ho vavolombelon'i Jesoa ny Eglizy katolika manoloana ny rafitra ara-politika, ara-piaraha-monina ary ny fanabeazana. Notanterahina ny sinaody iombonan'ny Nosy tamin'ny 07 - 12 oktobra 1975. Tanjona ny fanafahana ny olona rehetra amin'ny lafiny manontolo. Fandaharana momba ny tantaran'ny Fiangonana eto Madagasikara miaraka amin'i P. Abdon Rafidison, Recteur, Théologat, Faliarivo, Antananarivo
05 aogositra — Teraka tany Ecosse i Masindahy Abel, mpitoka-monina bénédictin izy io, na dia teo aza ny toe-panahy tsara nananan’i Abel dia maro ireo nihetraketraka sy nanararoatra izany.
Misy voka-dratsiny amin’ny fianam-panahin’ny tanora ankehitriny ny fanatontoloana ary misy fiantraikany any amin’ny fiainan-tokatrano izany. Marina fa tsy ratsy avokoa ny vokany, raha tsy hilaza afa-tsy ny fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisana, izay hahafahan’ny olona mifandray avy hatrany. Ny tsy fahaizana mampiasa ny teknolojia avo lenta anefa dia miteraka olana ara-piaraha-monina, toy ny fiolonolonana sy ny kolo-tsain’ny fanjifana. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Zoma 5 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 24-28
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco