04 aogositra — I Masindahy Jean-Marie Vianney dia teraka tao Dardilly akaikin’i Lyon, tamin’ny 08 mey 1786. Jean-Marie Baptiste Vianney moa no tena anarany ary fantatsika amin’ny hoe Curé d’Ars izy, noho izy nitondra ny fiangonana nandritra ny 41 taona tao Ars-en-Dombes, lasa Ars-sur-Formans ankehitriny.
Sarotra ny miresaka finoana amin’izao fotoana izao ao an-tokatrano ao. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny fanabeazana azony ny Ray aman-dreny an-daniny, sy ny zanaka nateraka an-kilany. Na dia mianatra any amin’ny sekolim-pinoana katolika aza ny zanaka dia tsy mandeha ho azy ny fiainana ny finoana sy ny fifampizaràna ao an-tokatrano ao. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Alakamisy 4 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-23
03 aogositra — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany i Lydie avy any Grèce, Asie izy ary nitoetra tao Phillipie. Tao amin’ny seranana atao hoe Égée no nivaro-damba sy nivaro-jaky, ary teo no nifankahitany tamin’i Masindahy Paoly sy i Masindahy Lioka ary i Silasy araka ny voalazan’ny Asan’ny Apôstôly 16, 14-15.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco