Talata 21 desambra 2021 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-45

Ny mpiofana ho pretra dia miofana mandritra ny telo taona manaraka ny fianarana filôzôfia eny amin'ny Seminera zokiny izay hanovozana ny rafi-pisainan'ny olona araka ny vanim-potoana. Vita izay, antsoina hisantatra ny pastoraly ny mpiofana, mandritra ny roa taona mamita ny " régence". Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Alatsinainy 20 desambra 2021 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38

Ny tovolahy maniry ny hiofana ho pretra dia tokony olona salama, manana tanjaka. Anatin'ny fepetra tokony ananana ihany koa ny taona sy ny fahalalana. Taona iray aorian'ny bakalôrea dia miroso sy miofana ao amin'ny seminera propededika. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...