Tsy mitovy ny antso sy ny hoe asa. Omen'Andriamanitra antoka aloha ny olona iray mba tsy hatahotra manoloana ny antso. Nomena iraka i Maria virijiny mba hiteraka zazalahy. Ny "antso" dia Andriamanitra no mifidy sy miantso ary maniraka antsika fa ny "asa" dia isika no misafidy izay hatao. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Nanamafy ny antoka azon'i Maria ny tenin'ny anjely hoe : " fa sitrak'Andriamanitra ianao". Eo imason'Andriamanitra dia tsy misy tsiny, lavorary i Maria virijiny. Tsy sitrak'Andriamanitra ho tratry ny fahalovana i Maria virijiny. Tsy azo dinganina amin'ny tantaram-pamonjena i Maria virijiny. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Maria dia nantsoin'Andriamanitra tamin'ny anarany, manokana ny antso, samy manana ny tantarany ny tsirairay manoloana ny antson'Andriamanitra. Manampy antsika hamantatra ny antson'Andriamanitra ny fanomezana lanja ny anarana toy ny anarana amin'ny batemy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Maria virijina dia niheritreritra mangina, niainga tamin'ny fomba fijery azo refesina : ara-tsaina, ara-panahy, ara-batana. Mety hisy fisalasalana isika fa Andriamanitra dia manome toky sy antoka, ohatra ny niainan'i Maria " Aza matahotra ry Maria". Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco