26 aprily — Ilay papa fahatelo nitondra ny Fiangonana nanomboka ny taona 79 hatramin'ny 91 no i Masindahy Clet resahana eto. Araka ny voarakitra ao amin'ny Liber pontificalis dia Romana i Clet ary i Emilien no anaran-drainy. Teraka tao Patricius ao anatin'ny faritr'i Esquilin izy, izay tsy mifanalavitra loatra amin'ny toerana nipetrahan'i Masindahy Pierre.

Tokony hihaino ny feon'ny Vahoakan'Andriamanitra ny mpiandry azy : indrindra momba izy iainany, ny fiainam-pinoany amin'ny andavanandro, ny zavatra tsapany ara-panahy. Harena ho an'ny Eglizy izany satria miteny amin'ny alalan'izy ireny ihany koa ny Fanahy Masina. Voaantso hiaina ny fiombonana anatin'ny finoana lalina ny Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

25 aprily — Araka ny fikarohana dia teraka tao Galilée i Masindahy Marc, izay heverina fa taran'i Aaron. Zanaky ny mpananon-tena nantsoina hoe Marie izy. I Jean na Joany no tena anarany fa anaram-bositra ny hoe Marc.

Ny fitambaramben'ny mpino, izay voahosotr'ilay Masina dia tsy mety ho diso ; ary izany satany manokana izany dia asehony amin'ny alalan'ny fahiratan'ny finoana eo amin'ny vahoaka manontolo, rehefa aharihariny ny firaisana saina iombonambe mikasika ny finoana sy ny fitsipi-pitondran-tena. Tsy resaka demôkrasia no miantoka ny fahamarinan'ny finoana... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...