22 aprily — I Masindahy Alexandre dia martiry tao Lyon tamin'ny taona 177. Avy any Phrygie, any Asie Mineure i Alexandre, izany hoe i Turquie amin'izao fotoana izao. Mpitsabo tao Lyon izy. Navaivay mihitsy tamin'izany fotoana izany ny fanenjehana kristianina ka isan'ny voahenjika sy voaheloka tamin'izany i Alexandre.
Ny Sakramenta no manamasina ny Eglizy vahoakan'Andriamanitra ; tsy tanjona akory ny maha-zanaky ny Eglizy fa ny Eglizy indrindra aza no famantarana hita maso ny zavatra tsy hita maso : ny asa sy ny fisian'Andriamanitra eo amini'zao tontolo izao. Fitaovana anamasinan'Andriamanitra ny vahoakany ny Sakramenta, tsy natokana ho an'olom-bitsy ny fanamasinam-piainana ao amin'ny Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
21 aprily — Teraka ny taona 1033 i Anselme, izy dia avy amin'ny fianakaviana andriana tao Aoste, Piémont. Mbola kely dia efa nampianarin'ny reniny ho tia an'Andriamanitra sy i Masina Maria izy. Vehivavy tia vavaka tokoa mantsy io renin'i Anselme io.
20 aprily — I Odette dia relijiozy mpitoka-monina maty tamin'ny taona 1158. Avy amin'ny fianakaviana fanta-daza tao Brabant izy, ary raha hampanambady azy an'i Simon, andriandahy tao amin'izany tanana izany, ny rainy dia nolavin'i Odette tamin'ny fotoanan'ny mariazy teo anatrehan'ny pretra, nandritra ny fombam-pivavahana fanao amin'ny fifanomezan-toky.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco