06 aprily — I Marcellin dia sekreteram-panjakan'ny amperora Honorius ary maty martiry tamin'ny 13 septambra 413. I Masindahy Augustin no tena nanoratra ny momba azy, ary nisy mihitsy aza asa soratra maneho ny fiderana ny hatsaram-panahy sy ny fitondran-tena mendrika nataon'ity mpiasam-panjakana ity.
Alahady 06 aprily 2025 ; Alahady faha-5 - taona "D" karemy : FIAINAM-BAOVAO NY PAKA. Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao. Ny teny nivoaka tamin'ny vavan'i Jesoa dia sahala amin'ny sabatra maranitra natsatoka tamin'ny fon'ireo mpiampanga "Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitoraka azy voalohany". Mirongatra ho azy ao anatintsika ny fiheverena mitovy amin'ny farisianina sy ny mpanora-dalàna, mendrika ho saziana mafy ny manao tsy mety, izay valin-teny araka ny fo fotsiny ; amin'i Jesoa anefa dia ilaina ny fandanjalanjàna ny zavatra tokony hatao, fihetsika tsara natao ny hoe tsy hitsara fa hamonjy...
05 aprily — Misionera niaina tamin'ny taona 1357 ka hatramin'ny 1418 i Masindahy Vincent Ferrier. Teraka tao Valence izy, ary mbola tany am-bohoka izy dia efa hitan-dreniny tamin'ny nofy sahady ny hoaviny ka nitebiteby fatratra.
04 aprily — Arseveka tao Séville i Isidore tamin'ny taonjato fahafito. Rahalahiny sady mpandimby an'i Masindahy Léandre, eveka tao Séville ihany koa i Isidore, zanaka printsy izy ireo ary mbola mpiray tampo aminy ihany koa i Masindahy Fulgence sy i Masimbavy Hortense izay relijiozy nalaza tamin'ny hira masina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco