03 aprily — Niaina tamin'ny taona 1197 ka hatramin'ny taona 1253 i Richard. Teraka tao Angleterre izy, zanak'olona ambony razana izy ka nanan-karena be nefa vetivety foana dia nikorosy fahana ary tao aorian'ny nahafatesan'ny ray aman-dreniny dia nigadra noho ny trosa ny lahimatoa tamin'izy ireo.
02 aprily — I François dia teraka tamin'ny taona 1416 tao amin'ny tanana kely anankiray antsoina hoe Paule, ary izay no mahatonga ny anarany ho François de Paule, any Calabre any io toerana io. Niavaka ny fahazazany satria raha mbola kely izy dia efa voasintona sahady hiari-tory amin'ny fiambenana masina sy ny vavaka.
01 aprily — Teraka tao Châteauneuf-sur-Isère tamin'ny taona 1053 i Masindahy Hugues. Pretra tao Valence teo amin'ny faha-20 taonany izy fa tamin'ny taona 1080 kosa izy no notendrena ho eveka tao Grenoble.
31 marsa — Niaina tamin'ny taonjato fahadimy tao amin'ny tanana antsoina hoe Ctésiphon tao Irak i Masindahy Benjamin. Ny tempoly ho an'ny masoandro no tena niankohofan'ny ankamaroan'ny Perses tamin'izany.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco