23 marsa — I Alphose Turibio dia arseveka tao Lima. Mpanao asa soa ireo indianina nijaly noho ny fanjanahan-tany nataon'ny Espagnols tao Pérou izy. Avy ao Mayorga ao Espagne i Alphonse ary ny mpanjaka Philippe II no nanendry azy ho arseveka tao Lima.

22 marsa — Mpianatr'i Masindahy Jérôme i Léa. Anisan'ireo vehivavy manan-kaja romana mpankafy ny fampianaran'i Masindahy Jérôme izy. Amim-pankasitrahana tokoa no nihainoany ny famakafakana ny Soratra Masina natoan'i Masindahy Jérôme tao Rome. Rehefa maty ny vadiny, dia nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ka niditra tao amin'ny trano fitokana-monina tao Rome izy ary lasa lehiben'io trano io izy taty aoriana.

21 marsa — Niaina tamin'ny taonjato faha-12 i Clémence, rehefa maty ny vadiny izay comte tao Spanheim dia nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ary lasa izy niditra tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictines tao Trèves, tao Rhénanie Allemagne, ary tao izy no nodimandry ny 21 marsa 1176.

20 marsa — Zanaky ny manam-boninahitra tao amin'ny tafik'i Clovis faharoa i Wulfran. Rehefa maty ny rainy dia niala tao amin'ny toby izy ka nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ary nomeny an'ireo mpitoka-monina tao Fontenelle ny taniny.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...