Alahady 15 martsa 2026. Taona A - Alahady faha-4 Karemy  : Ny finoana an’i Kristy no fahazavana vaovao - Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana. Tsy voatery ho sazy na famaizan'Andriamanitra noho ny fahotana natao ny aretina na kilema na ny fijalina manjoa ny olombelona fa mba hanehoana ny asan'Andriamanitra ao aminy. Tsy hain'Andriamanitra ny mahary ny ratsy na ny fahafatesana fa ny manao ny tsara sy ny mamelona ihany no hainy ; porofon'ny fiahian'Andriamanitra ny olombelona ny nanomezany ny zanany hamonjy...

Zava-dehibe ny fiainan'ny fianakviana, voatondro mazava ao anaty litania fa i Masindahy Joseph no lohan'ny fianakaviana masina. Ny lehilahy loham-pianakaviana rehetra dia entanina haka tahaka an'i Masindahy Joseph, amin'ny fahaizana mitantana ny fianakaviana sy amin'ny fahatsorana. Manana adidy ny ray aman-dreny amin'ny fanabeazana ny zanaka amin'ny lafiny rehetra. Ny fiainam-pianakaviana dia tsara kokoa raha ombana hafaliana sy fifampiresahana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 08 martsa 2026. Alahady fahatelo - taona A - KAREMY - Mahatoky Andriamanitra : Ianao tokoa no Mpamonjy an’izao tontolo izao, ry Tompo, ka omeo amin’izany rano izany re aho, mba tsy hangetaheta intsony. Ny fatsakana dia toerana fihaonan'ny lehilahy sy ny vehivavy izay mitondra hatrany amin'ny fanambadiana ; ohatra ny fihaonan'i Jakôb sy Rasely, araka ny hita ao amin'ny bokin'ny Jenezy. Vehivavy manana olana maro, tandindon'ny olombelona rehetra anaty sedra sy sarotra ilay samaritana tafaresaka tamin'i Jesoa, anefa tojo fanantenana izy noho ny fahatokiana an'Andriamanitra miseho amin'ny alalan'ny Zanany...

Adidy no mifanompo ao anatin'ny fianakaviana, etsy ankilany anefa dia nataon'ny tompon'andraiki-panjakàna nifandimby ankilabao ny fiahiana ny fianakaviana, indrindra ny fitaizana ny taranaka. Goragora ny fanabeazana ara-piaraha-monina izay fototry ny fanabeazana ny ankohonana sy ny lafiny ara-pitondrantena. Ireo manana andraikitra dia variana mameno kitapo tahiry, raha mitantana ara-drariny anefa ka mametraka ny fifanajàna sy ny fifanompoana dia azo antoka ny hatafita ny firenena sy ny isan'ankohonana.. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...