Alahady faha-5 - Taona-D fankalazana ny Paka : Ny vokatry ny paka: hafaliana sy fitiavana. Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Azo lazaina ho toy ny didy miafina nampahalalana ny rehetra ny hafatra napetrak'i Jesoa mikasika ny fifankatiavana tokony hiainan'izay rehetra mpanaraka Azy. Ny namana voalazan'ny Evanjely dia tsy ireo iray finoana ihany na iray fiaviana fa ny olona rehetra izay tokony hanehoana fitiavana. Ny fitiavana ny namana ho an'ny Kristianina dia tsy vokatry ny fo mangoraka fotsiny fa tena fianarana an'i Jesoa Kristy mihitsy...
Teraka tao Espagne ny 17 mey 1540 i Pascal, zanaka mpamboly manetry tena izy io ary feno hatsaram-panahy kristianina. Vao fito taona monja dia efa niandry ondry izy, ary ny fotoana tamin'izany dia nolaniany tamin'ny vavaka sy ny famakian-teny, ary voalaza aza fa, ny anjely mihitsy no tonga eo mampianatra azy.
17 mey 2025 — Sabotsy, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 7-14)
16 mey — I Masindahy Luigi Orione dia teraka tamin'ny 23 jona 1872 tao Pontecurone, tao amin'ny diosezin'i Tortone. Teo amin'ny faha-13 taonany izy dia noraisin'ny Franciscains tao Voghera. Herintaona monja anefa izy no tao, noho ny tsy fahasalamany. Ny taona 1886 ka hatramin'ny taona 1896 dia, mpianatr'i Don Bosco tao Valdocco, tao Turin izy.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco