Nohariana ny zavatra rehetra na ny lanitra na ny tany. Nirahina tety an-tany ny Zanaka ary, rehefa tontosa ny asa nanirahana ny Zanaka dia nirahin'ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina mba hanamasina ny Eglizy. Ny andro Pantekôty no nidinan'ny Fanahy Masina mba honina ao amin'ny Eglizy sy ao am-pon'ny mpino... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

7 avrily 2025 — Alatsinainy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 12-20)

Raha tsy manana tanjona mazava ireo mpifankatia dia mety ho fitiavana voapoizina no hifampizaràna. Betsaka ny mpivady no tsy mifankafantatra tsara ka rehefa ao anaty tokan-trano vao tojo olana samihafa. Ny fitiavana dia tokony hanjakan'ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra. Ny toerana tsara hanaovana ny vavaka : eo am-baravarana, an-dakozia, efitra fandriana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

06 aprily — I Marcellin dia sekreteram-panjakan'ny amperora Honorius ary maty martiry tamin'ny 13 septambra 413. I Masindahy Augustin no tena nanoratra ny momba azy, ary nisy mihitsy aza asa soratra maneho ny fiderana ny hatsaram-panahy sy ny fitondran-tena mendrika nataon'ity mpiasam-panjakana ity.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...