10 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)
Ny fanetren-tena dia toetra fototra iorenan'ny fivavahana ahafahana manatona an'Andriamanitra sy misaotra Azy. Mila manana fanetren-tena isika raha hanatona sy hisaotra an'Andriamanitra, fa hoy indrindra i Md Paoly ao amin'ny Taratasiny ho an'ny Romana hoe : na izay tokony hangatahantsika amin'ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika ; izay manetry tena dia mahay mandray maimaim-poana... Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
9 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)
Mialohan'ny nananganan'i Jesoa ho velona an'i Lazara dia nitodika tany amin'Andriamanitra Ray Izy nisaotra noho ny Ray nihaino Azy zanaka ; araka izay voasoratra hoe : dia noesorina ny vato, ka niandrandra Jesoa sy nanao hoe "misaotra Anao Aho, Raiko, satria nihaino Ahy Ianao". Rehefa manatona an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka isika dia mazava ny zava-drehetra ary misinda ny ahiahy... Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco