25 febroary — Samy avy ao amin'ny Fikambanana salezianina i Luigi Versgila sy i Callisto Caravario ary anisan'ireo martiry 120 tao Chine.
Ny Soratra Masina, indrindra ny Evanjely dia samy maneho ny fiombonam-piainana nisy teo amin'i Jesoa sy ny Ray, ary tamin'ny toe-javatra natrehina dia hita miharihary ny vavak'i Jesoa maneho ny tsy maha irery Azy sy ny fitodiany mandrakariva amin'ny Ray. Anisan'ny mampiharihary ny maha kristianina ny fiombonany amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
24 febroary — Ny Modeste resahana etoana dia ilay eveka tao Trèves tao Rhénanie any amin'ny faritr'i Allemagne tamin'ny taonjato fahadimy, vanim-potoana nanjakan'i Clovis, mpanjakan'ny Francs.
Ankoatr'ireo vavaka, isan-karazany, nasian'ny Papa François François fampianarana sy fanentanana manokana. Ny firaisana resahana eto dia ilay fiombonana tanteraka tamin'ny Ray ; rehefa ampiraisin'i Kristy isika, maka tahaka Azy dia hisokatra amin'ny hafa. Didy miafina ara-panahy navelan'i Jesoa ny hiombonan'ny kristianina, hoy ny Papa François... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco