Ny Sorona Eokaristika ankalazaintsika no firaisantsika fara-tampony amin'ny Fanompoam-pivavahan'ny Fiangonana any an-danitra. Eo isika no entanin'ny firaisana am-panahy ka velom-panajàna mahatsiaro an'i Maria be voninahitra, Virijiny mandrakizay, ary koa i Masindahy Josefa sy ireo Apôstôly sy martiry ary ny Olomasina rehetra... Katesizy momba ny miara-mivavaka amin'ireo Olomasina, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

13 desambra 2024 — Zoma, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 16-19)

Ireo tombontsoa angatahina amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanany Tompontsika, hany mpanavotra sy Mpamonjy antsika, dia aoka ny vavak'Izy ireo sy ny heriny ary ny fanampiany no hidodododoantsika. Eo amin'ny Olomasina Izy Andriamanitra no miteny amintsika sy manondro ho hitantsika ny Famantarana ny Fanjakany, izay itambaran'ny vavolombelona zavontany... Katesizy momba ny miara-mivavaka amin'ireo Olomasina, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

12 desambra 2024 — Alakamisy, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 11-15)

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...