15 febroary — I Claude La Colombière dia teraka tamin'ny taona 1642 tao amin'ilay tanana antsoina hoe Saint-Syphorien-d'Ozon ary maty tao Paray-le-Monial ny 15 febroary 1682. Tao Avignon izy no novisy tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa. Avy eo izy nanohy ny fianarany tany Paris.
Fanoharana lehibe telo momba ny fivavahana no nampitain'i Lioka : Ny voalohany "ilay sakaiza manelingelina" izany ho mamporisika hanao lemozy amin'ny fivavahana ; ny faharoa "ilay vehivavy mananontena" nivavaka lalandava ary mino sy manana fanantenana ; ny fahatelo "ilay Farisianina sy ilay poblikanina" nanana fanetren-tena... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
14 febroary — I Cyrille dia teraka tao Thessalonique ny taona 827 ary maty ny 14 febroary 869 tao Roma. Méthode rahalahiny kosa dia teraka ny taona 815 tao Thessalonique ihany ary maty ny 06 aprily 885 tao Grande Moravie.
Nampianatra antsika hivavaka i Jesoa rahefa nivavaka Izy. Nanomboka tamin'ny toriteny teo an-tendrombohitra, nanantitrantitra ny amin'ny fibebahan'ny fo i Jesoa, isan'ireny ny fitiavana ny fahavalo sy ny vavaka ho an'ny mpanenjika. Mampianatra antsika ny fahasahian-janaka i Jesoa, tahaka ny nivavahany tamin'Andriamanitra Ray... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco