Ny vola sy ny harena ary ny fahefana dia fanomezana avy amin'Andriamanitra, vokatr'ireo ezaka natao. Ny fahantrana no zary efitra mampisara-bazana ny mpiray tampo sy mpiara-monina. Satria isika mpivahinin'ny fanantenana dia amporisihina ireo rehetra manana vola harena, fahefana mba hamorona asa ho an'ny hafa izay tsy manana fahafahana. Soatoavina tsara ny fifampitsinjovana sy ny fifanampiana ary fifampitokisana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

09 febroary — Raha araka ny fitantaran'i Masindahy Denys, eveka tao Alexandrie, i Apolline dia martiry tamin'ny taona 249, fotana nanjakan'ny Amperora Philippe l'Arabe izay nanenjika fatratra ny kristianina. Tamin'izany fotoana izany, nisy fifanjevona ka nasaina nivoaka ny tranony avokoa ny kristianina rehetra. Novonoina izy ireo rehefa avy nanatrika ny fandrobana ny fananany.

Môdely ho antsika amin'ny vavaka i Jesoa sy ireo Olomasina nanara-dia Azy. Nivavaka lalandava mazoto tamin'ny fanaovana asa soa ary nahay nitsinjo ny hafa. "Aza matahotra!" rehefa mivavaka. Ny Zoma Masina dia tsy maintsy miafara sy misokatra ho any amin'ny Alahadin'ny Paka, porofon'ny fandresena ny ratsy rehetra noho izany dia ilàna faharetana ny vavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

08 febroary — I Jérôme Emilien dia teraka tao Vénétie ny taona 1481 ary nodimandry ny 08 febroary 1537 tao Somasque Lombardie. Nipoitra avy amin'ny fianakaviana avo razana sy nanan-karena i Jérôme Emilien. Tovolahy lian'ady sy ratsy fitondran-tena tokoa teo aloha, miaramila tao amin'ny tafik'i Vénétie mantsy izy tamin'izany.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...