Ny fankalazàna ny Eokaristia na Lamesa na Sorona Masina, araka ny fahalalantsika azy dia manomboka eo amin'ny hira fidirana na fanombohana ary mifarana amin'ny hira fanirahana. Mivelatra ho fizaram-potoana miisa roa lehibe izy, nefa mirafitra ho tokana ihany ny votoatiny : voalohany ny famoriana na fanokafana ny fankalazana ary ny faharoa dia ny fankalazana ny Sorona na ny litorjian'ny Eokaristia... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Anatin'ny asivinandro mialohan'ny Noely isika ; zava-dehibe ny fihavanana eo amin'ny fiaraha-monina ary ao amin'ny Tompo. Fotoana izao hihavanana amin'ny rehetra, amin'ny alalan'ny Sakramentan'ny Fihavanana ary ny fihavanana amin'isika samy isika olombelona. Isika rehetra dia efa natao hiombona ary miombina ao amin'i Jesoa Kristy. Isika dia manana adidy hiaro ny tanindrazana, ny havana sy ny mpiray monina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Sakramenta ny Eokaristia. Io Eokaristia io no manambara an'i Kristy sy ny fiffanekeny nataony ho antsika olombelona ankehitriny. Ny Eokaristia no faratampon'ny fiainana ny sakramenta rehetra satria izy no mampiombona ny Kristiana rehetra amin'ny tolotr'i Kristy, "amin'ny alalany sy miaraka aminy ary ao aminy" dia tonga mitoetra ao Aminy isika, mba hanajantsika ny Ray miaraka amin'ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Alahady 21 desambra 2025. Alahady fahefatra — Taona A "fiavian’ny Tompo" : Hiara-monina amintsika Andriamanitra ; Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia. Ireo fihetsika nataon'i Masindahy Joseph dia maneho fa olo-marina izy satria tsy mankasitraka ny fahafatesan'ny hafa, nanaraka ny feon'Andriamanitra ary mihaino sy manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Rehefa miala amin'ny fahotana isika dia afaka manavaka ny feon'Andriamanitra amin'ny fakam-panahy. Ny zanak'Andriamanitra tonga nofo dia ho an'ny olombelona rehetra ary honina eo amintsika...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco