07 nôvambra — Teraka tao Steisslingen, Allemagne i Ernest, ary mbola tanora izy no niditra tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictins tao Zwiefalten tao amin'ny farihin'i Constance. Nitantana io trano fitokana-monina io izy ny taona 1141 ka hatramin'ny taona 1146.

06 nôvambra — Niaina tany amin'ny taonjato fahenina tany ho any i Masindahy Léonard. Teraka tao amin'ny faritanin'i Gaule izy tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Anastase izay nanjaka tamin'ny taona 491 hatramin'ny taona 518. Miaramila manam-boninahitra tao amin'ny tafiky ny mpanjaka Clovis i Léonard.

05 nôvambra — Ray aman-drenin'i Jean-Baptiste i Zacharie sy i Élisabeth, hitantsika ao amin'ny Baiboly ny tantaran'izy ireo. Sokajiana ho fianakavian'ny mpisorona izy raha ny tantara ao amin'ny Baiboly no jerena. Izy no ray aman-drenin'i Jean-Baptiste, ilay mpialoha lalana an'i Jesoa.

04 nôvambra — Teraka ny 02 ôktôbra 1538 i Masindahy Charles Borromée, tao amin'ny Château d'Arona. Vao roa ambin'ny folo taona monja izy dia nandova trano fitokana-monina tamin'ny fianakaviany. Teo amin'ny faharoa amby roapolo taonany izy dia nofidin'ny papa ho kardinaly. Dadatoany moa ity papa ity, havany avy amin'ny reniny.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...