03 nôvambra — Teraka ny 9 desambra 1579 tao Lima any Pérou i Martin. Zanak'i Jean de Porrès sy i Anne Velasquez izy. I Jean moa dia miaramila tao Alcantara, i Anne kosa andevo mainty nahazo fahafahana tamin'inzany fotoana izany. Nanan-jandry ihany koa i Martin, nantsoina hoe Joanna.

02 nôvambra — Tsy andro fisaonana akory ny 02 nôvambra, fa natokana hivavahana ho an'ny fanahin'ireo havantsika efa nodimandry. Misy mantsy ny fanahin'izy ireo izay niala teto amin'ity tany ity, dia mbola mety tsy migoka ny hasambarana any an-danitra fa mety mbola any amin'ny afo fandiovana.

01 nôvambra — Taloha dia tao aorian'ny fetin'ny Paka na ny alahady manaraka ny Pantekôty ny fankalazana ny fetin'ny Olomasina rehetra. Tamin'ny taonjato fahadimy dia ny zoman'ny Paka no nankalazana izany tany Syrie, fa ny tany Roma kosa tamin'io vanim-potoana io dia nomarihana tamin'ny alahady ao aorian'ny Pantekôty.

31 ôktôbra — Romanina i Quentin ary niaina tamin'ny taonjato fahatelo. Toa an'i Masindahy Crépin sy Crépinien dia nitory ny Vaovao Mahafaly tany Gaule i Quentin. Nampita ny raki-tsarobidin'ny finoana izay noraisiny izy tamin'izany fotoana izany. Tao Amiens no tena ivon'ny fitoriana nataony.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...