19 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina i Tanguy. Voalaza fa ny taona 594 izy no nodimandry. Zanaka tompomenakely tamin'ny andron'ny mpanjaka Childebert I izy. Galonus de Trémazan no rainy, ary nanambady fanindroany io rainy io ka ny renikeliny no nitaiza azy mianadahy. I Haude no anaran'io anabaviny io.
18 nôvambra — Teraka ny taona 880 tao Maine i Odon. Andriana ny fianakaviany, ary nalefa tany Anjou sy Aquitaine izy mba hianatra momba ny tafiky ny mpitaingin-tsoavaly. Nanohy fianrana tany Paris izy, ka isan'ny nampianatra azy i Rémi, evekan'i Auxerre. Nandalina ny fitsipi-pitenenana sy ny fombam-pivavahana tao Tours ihany koa i Odon.
17 nôvambra — Teraka ny taona 1207 tao Presbourg tao Hongrie i Élisabeth. Zaza fahatelo izy amin'ny zanak'i André II, mpanjaka tao Hongrie, taranaky ny mpanjaka Étienne. Vao efa-taona monja i Élisabeth dia nalefa tany Thuringe mba ho vadin'i Louis, comte tao amin'io tanana io.
16 nôvambra — Teraka ny 06 janoary 1256 i Gertrude. Vao dimy taona monja izy, dia nalefan'ny ray aman-dreniny nobeazina tao amin'ny fikambanana bénédictine tao Helfta tao Saxe, satria izany no fomba tamin'izany fotoana. I Mechtilde de Hackeborn no nandray an-tanana ny fanabeazana sy ny fitantanana am-panahy an'i Gertrude.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco