Alahady 14 desambra 2025 : Alahady fahatelo — Taona A : fiavian’ny Tompo - "ANDRASO AMIM-PITOKIANA NY TOMPO". Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho. Taratry ny fiainan'ny mpino maro ny niainan'i Joany Batista, maro no mihidy amin'ny tenany sy ny zava-boahary manodidina azy, toy ny olona ao an-trano maizina. Entanina isika kristianina mba ho fitaratra hahamora ny hidiran'ny hafa ao amin'ny Eglizy, ho fitaovana hitondra ny hafa ho ao amin'i Jesoa Kristy. Faherezana, fahatanjahana, faharetana, fialana amin'ny tahotra sy ny tebitebe no toetra tsara hananan'ny mpino manoloana ny fiainana feno ahiahy izao...

Ny lovam-panahy momba ny mozika teo amin'ny Eglizy manerana ny tany tontolo dia nihary raki-tsoa tsy voavidy vola izay mampisongadina azy amin'ireo zava-kanto hafa, indrindra fa amin'ny maha-hira masina azy miaraka amin'ny tonony, dia manjary ampahany tena ilaina tsy azo esorina amin'ny Litorjia manetriketrika. Ny hira sy ny mozika dia manao ny anjara toeran'ny asa maha-famantarana azy... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P.  Raphaël Eugène Ralison.

Ny fiafaran'ny fanirahana ny Fanahy Masina ao amin'ny asa Litorjika manontolo dia ny mampiray antsika amin'i Kristry mba handrafitra ny Vatany. Ny vokatry ny asan'ny Fanahy Masina ao amin'ny Litorjia dia tsy azo sarahina amin'ny firaisana amin'ny Trinite Masina sy ny firaisana maha-mpiray tam-po ara-pinoana. Ilaina ny vaomieran'ny Litorjia mba hampandroso ny finoana... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P.  Raphaël Eugène Ralison.

Mba hahatanteraka ny fanirahana ny Eglizy dia ny Fanahy Masina no "mampitao sy mitari-dalana azy amin'ny alalan'ny fanomezana samihafa na araka ny ambaratongam-pitondrana na ara-pahasoavana manokana". Koa ny Eglizy, voavatsy amin'ny fanomezan'ny mpanorina azy sy mampihatra amim-pitokiana ny fitandremana ny didim-pitiavana amin'ny fanetren-tena... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P.  Raphaël Eugène Ralison.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...