Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny saina tia karokaroka, saina liam-baovao na ny “curiosité”. Anisan’ny ampinga iray manampy ny olona iray izany mba hitombony, amin’ny maha-olona azy, hampihitatra ny fahaizany eo amin’ny sehatry ny fianarana, ny asa, ny fiaraha-monina, ny fikarohana, ny tontolo iainana ary ny fiainana ara-panahy sy ny fomba fisainana. Noho izany dia fitaovana manan-danja izy eo amin’ny maha-olona ary misy ny fitaizana sy fikolokolona azy mba ampivelatra sy ampiasaina azy tsara... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Manohana ny fiarovana ny ala honko ao amin’ny faritr’i Sofia ny fahefana eo anivon’ny faritra sy ny any amin’ny kaominina. Raharaham-panjakàna ny fiarovana ny tontolo iainana araka ny nambaran’Andriamatoa Fidèle Emilson, tale misahana ny fotodrafitr’asa sy ny falmpandrosoana na ny DID ao amin’ny faritr’i Sofia, sady filoha lefitry ny vovonana hoan’ny fitantanana ny faritra arovana na ny P.F.Gap Avarabe Lovainjafy izay ivondronan’ny faritra Sofia, Diana, Sava, Analanjirofo ary Boeny. Manaporofo izany hoy izy ny fametrahana io rafitra io...
Mandresy lahatra ny tantsaha ao amin'ny Distrikan'Ambatoboeny Faritra Boeny hikajy ny tontolo iainana amin'ny fampiasàna ireo teknika fambolena mifanaraka amin'izany ny Fivondronan'ny Tantsaha Miara-mizotra... Miasa amin'ny kaominina miisa 6 ao amin'ity Distrika ity ny fikambanana efa ho 3 taona izao. Sehatr'asa ataony ny fanapariahana ny teknikam-pambolena mikajy ny tontolo iainana mba hiarovana ny nofon-tany sy ny tontolo manodidina. Manatsara ny velon-tenan'ny tantsaha amin'ny alalan'ny varotra iombonana ihany koa ny fikambanana. 4 taona niasana ny fikambanana Miara-mizotra, kanefa efa azo tsapain-tanana hoy Andriamatoa Randriazafison Tsitohaina, filoha mpanorina ny fikambanana Miara-mizotra ny vokatra azo amin'ny faharesehan-dahatry ny tantsaha amin'ny fampià izay fambolena mikajy ny tontolo iainana izay.
Fahombiazana no azo amehezana ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Toe-karena eny ambanivohitra (FIER MADA) andiany faha-26, natao teny amin'ny kianjan'i Makis Andohatapenaka, nandritra ny 5 andro. Afapo ireo tantsaha aévy amin'ny Faritra 24 nitondra ny vokany teto an-drenivohitra. Tonga marobe ny mpitsidika. Nahatratra 100.000 ireo olona nifamezivezy teny Andohatapenaka nandritra ny fotoana nanaovana ny Foara...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco