Ny safidy tsara dia ahitana fahafahampo ho anao, ary vokatra tsara ho an'ny manodidina. Na eo amin'ny ankohonana misy anao izany, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eto amin'ny firenena ; olom-pirenena tompon'adidy ianao sy izaho koa aoka hanana heri-po hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny lanjan'ny fahaizan'ny mpanabe mandray ny valin'ny asan'ny mpianatra, nandritra ny taom-pianarana teo. Misy fihetsika sy fomba fiteny mba tsy handratra ny ankizy ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny mpanabe. Ao anatin'ny vanim-potoana handraisana ny valin'ny ezaka nataon'ny mpianatra sy ny ankizy isika amin'izao, mba afahana mandrefy ny lanjan'ny teny natao sy ny asa rehetra, nandritra ny taom-pianarana. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Tsy takona afenina toa ny tafika andrefan-tanana, araka ny fiteny, ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny famokarana ataon’ny tantsaha eto amintsika. Misedra olana avokoa ny mpamokatra amin’ny faritra rehetra eto amin’ny nosy. Ny endrika isehoany no samihafa. Ny tsy fahampian’ny rano enti-mamokatra ao anatin’ny fotoana tena ilana izany, ampian’ny hafanana diso tafahoatra no itambaran’izy ireo.

Ho fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny zokiolona, ny raibe sy ny renibe dia manana adidy isika mba hiahy sy haneho fitiavana ireo sokajin'olona ireo. Nanomboka tamin'ny taona 2021 no nisian'ity fanamarihana ity andro ho fanomezan-danja ireo zokiolona, ankalazaina isan-taona, ka alahady fahefatra amin'ny volana jolay no hanaovana azy. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka misahana ny fianakaviana, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...