Tsy mbola lefy laza amin’ny maha sehatra goavana ihaonan’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpanjifa, ireo teknisiana sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny toekarena eny ambanivohitra na ny FIER MADA. Mbola mahasarika olona maro koa na eo aza ny Tsenabe mifaninana aminy taty aoriana...
Mamaha olana an’ireo tantsaha mpikambana an’arivony ao aminy ny fijoroan’ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny taona maro nijoroany. Fikambanana saro-piaro ary mampihatra ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ilofosan’izy ireo...
Fambolena miaro ny tontolo iainana : mahaliana ny tanora Tafita any amin’ireo tanora nahazo tohana ara-piofanana avy amin’nytambazotra iraisam-pirenena misehatra amin’ny fampiofanana amin’ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR sy ny Réseau SOA ny fahaza-manao noratovin’izy ireo. Nahita tombotsoa ireo tanora nampihatra ny fambolena miaro ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny rano tao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo
ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza ato amin’nydistrikan’Ambohidratrimo.
Ny fanabeazana olom-pirenena dia fampahafantarana azy ny zony. Ny hoe verezin-jo dia ireo olona ampidinina amin'ny laharana ambany noho izay efa misy azy. Tsy ny mpanao pôlitika irery no mila mandray andraikitra amin'ny fampandrosoana ny firenena fa ny olom-pirenena rehetra. Ny olona manam-bola ankehitriny no maro mitantan-draharaha fa tsy ireo olona nianatra sy manana traik'efa ; ilaina hampianarina any an-tsekoly ny "pôlitika" amin'ny maha hay fitantanana ny tanàna azy... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco