Mpifankatia tia manao fizahan-tany i Setra sy Salohy ary tanjona manaraka ny ho an'ny Manambato, izay toerana mahasondriana anefa tsy lavitra an'Antananarivo. Mpinamana tsy mifankafoy i Onja sy Setra ary isan'ireo mpankafy fiainana sy rendrarendra. Tsy mitsahatra mifandoka ary mifampitory fitia i Setra sy Salohy, milaza samy tia ; na efa manambady aza i Setra dia tsy nahasakana an'i Salohy hitia azy io zava-misy io. 

Ny "SLAM" dia sehatra iray manana fitsipika : tsy mihoatra ny 3 minitra, tsy misy mozika lafika, tsy hanaovana fanamiana manokana na fampiasana fitaovana enti-maneho. Mandritra ny fanatanterahana ny Slam dia tokony hisy ireto toko telo ireto : Mpijery, Poeta, ary ny mpandrindra na "Slam Master". Misy sehatra telo samy hafa amin'ny maha sehatra ny slam : ny sehatra misokatra amin'ny rehetra, ny fifaninanana ary ny fahatelo farany dia ny hetsika fampisehoana na "Spoken Word". Ireo fitsipika amin'ny fifaninanana dia tsy mihoatra ny 3 minitra sy 10 segondra, mpitsara avy amin'ny mpijery (isa tsy ankasa), salan'isa 0 hatramin'ny 10, fampiasàna time keeper...

Nahatsiaro fahasambarana i Nofy rehefa nandeha nitsangatsangana niaraka tamin'i Aly. Nifankatia izy roa kely anefa ny renin'i Nofy dia nisakana hatrany ny fiarahany. Nifanome toky ny hifankatia anefa izy roa, eny hatrany ambadiky ny fahafatesana. Ramatoa Valérie, renin'i Nofy sy Jenny dia samy nanomana teti-dratsy handravana ny fiarahan'i Nofy sy Aly. Zanak'olona mpanao pôlitika i Jenny ka maika nandrisika an'i Ramatoa Valérie hanao ny ezaka rehetra hampivady an'i Nosy, zanany sy i Jenny

Ny "SLAM" dia avy amin'ny teny angilsy hoe " to slam (the door)", izay midika hoe "manakarapoka, manakatona mafy (ny varavarana)". Iray amin'ny karazana zava-kanto vita amin'ny teny ny Slam ; karazana tononkalo, am-bava kokoa anefa satria tononina. Mifanakaikikaiky amin'ny poezia miandany (poésie engagée) ny slam. Tany antenan'ny taompolo 80 no teraka tao Chicago (Etazonia) ny "slam" izay antsoina ihany koa slam poésie, avy amin'ny fifaninanana antsan-tononkalo izay tetik'asa noforonin'ilay Amerikana antsoina hoe Marc Smith. Ny taona 2002 no nidirany taty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, niainga tao La Réunion, Maurice ary tonga teto Madagasikara...

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...