• Mavesatra ny vokatry ny firehetana tany Mananjary. Nisy ireo mpivady may kilan'ny afo ankoatra ireo traboina an'arivony, izay manao antso avo amin'ny hanampiana azy ireo... • Nisy ny fijoroana ho vavolombelona ataon'ireo olona niaritra ny tifitra sy ny fitsoahana tany anaty ala, tamin'ilay raharaha tsy mampitovy hevitra ny OMC sy ny fikambanana Mazoto... • 60 tapitrisa Ariary no anto-bolan'ny kandidà ho Loholona. Miverim-bola ireo kandidà mahazo 10 % amin'ny vaton'ny mpifidy...

Andriambahoaka afovoan'ny tany dia zanaky ny Mpanjaka Andriambahoaka, nanjaka tao Imam, nandova ny fanjakàna izy ary nanana ny lazany. Nomena ny anarana hoe afovoan'ny tany izy noho ny lazany tamin'ny haranitan-tsaina niaraka tamin'ireo vahoaka notantaniny ; rehefa namantatra ny toerana misy ny fanjakàny i Andriambahoaka-II dia naniraka vahoaka nozarainy antoko roa ka ny antsasany nianavaratra ary ny ampahany faharoa nianantsimo, nasainy hitondra ranomasina sy zava-maniry amin'ny tany izay lalovany avy ireo, niara-tonga teo an-tanàna ireo iraka ka izay no nahafahany namaritra fa ivon'i Madagasikara no nisy ny fanjakàna ary io no niavian'ilay anarana fanampiny hoe "afovoan'ny tany"...

• Nandravarava tamin'ny Fokontany telo any Mananjary ny afo. An-jatony ireo trano may ary an'arivony ireo traboina... • Anaty tevana ny demokrasia eto Madagasikara, hoy ny Transparency International Initiative Madagasikara. Malalaka kosa ny demokrasia eto amintsika, hoy ny Minisitry Serasera sy ny Kolontsaina... • Mety hiatrika olana hafa, ka mila fandalinana ny fampiharana ilay tetikasa EAGER, entina hanampiana ireo zazavavy mpianatra, hoy ny sekoly tsy miankina...

• Mbola tsy mitovy ny tadin-dokanga manoloana ny resaka demokrasia ho antsika eto Madagasikara... • Ahiana handroso hihemotra ihany ny vokatra ho azo amin'ny tetikasa AEGER izay entina hanampiana ireo zazavavy Malagasy amin'ny fianarana, raha ny fijerin'ny sekoly tsy miankina... • An-jatony ireo velon-taraina manolona ny fibodoana tany miseho any Mahajery, Morarano Gara Moramanga...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...