Alatsinainy 01 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 1-12 — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny tenin'ny fahamarinana Andriamanitra mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Alahady 31 mey 2020 — Alahadin'ny Pantekôty — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 19-23 — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fon'ny mpino ; ary ampireheto ao am-pony ny afon'ny fitiavanao.

♦ Andrasana amin'ny tafa hataon'ny Filohan'ny Repoblika rahampitso alina indray ny fepetra amin'ny ady amin'ny Cornavirus... ♦ Andrasana ny fijoroan'ny vaomiera manokana handinika ny fanenjehana ara-pitsarana ireo mpitondra ambony, eny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Arahanao amin'izao vaovao izao koa ny fanazavan'ny Ministra teo aloha Brigitte Rasamoelina momba ny Rovan'Antananarivo...

♦ Niampy telo ireo namoy ny ainy vokatry ny Coronavirus teto Madagasikara. 42 koa ireo tranga vaovao voatily... ♦ Tsy ilaina ampakarina any amin'ny Fampanoavana ny raharahan'ny Profesora Ralandiarison Stéphan, Sojaben'ny Fakiolte Fampianarana ho mpitsabo any Toamasina... ♦ Tsy ho tratra ny fisondrotry ny tahan'ny arikarena faobe novinavinaina ho 5,5% amin'ity taona ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...