♦ Efa ahitana tsimok'aretina Coronavirus ihany koa ankehitriny any Andilamena sy Ambatondrazaka... ♦ Efa manana ny protocole de traitement na ny fomba hitsaboana ny valan'aretina avy amin'ny Coronavirus isika, ka haseho an'izao tontolo izao izany afaka iray volana eo...

♦ Mifanatrika etsy amin'ny CCI Ivato ny Governemanta sy ny Solombavam-bahoaka. Lafin-javatra maro momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana no angatahan'ny depiote fanazavana... ♦ Hampihatra fepetra vaovao tsy hiparitahan'ny valan'aretina Coronavirus ny tompon'andraikitra any amin'ny faritr'i Bongolava tao aoarian'ny nahitana tranga iray mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus tao Tsiroanomandidy...

♦ Tafakatra 542 ny isan'ny olona voaporofo fa mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Ho hentitra ny fepetra ampiharina amin'ny fivezivezena sy ny fifampikasohan'ny mponina ao Toamasina, indrindra amin'ny toerana mahavory olona sy ny lalam-pirenena hoy ny lehiben'ny EMMONAT... ♦ Mpiara-miombona antoka amin'ny fanabeazana ny ankizy ny sekoly sy ny ray aman-dreny ka tokony hifampitsinjo...

Talata 26 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 1-11 — Hangataka amin'ny Ray Aho, hoy ny Tompo, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, izay ho eo aminareo mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...