♦ Tranga 18 vaovao indray no hita tamin'ireo olona mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Mbola mitombo ary maro ireo olona mararin'ny tazomoka mahery any amin'ny distrikan'i Betroka. Tsy ampy ny fanafody fitsaboana fa fanafody fanefitra no nalefan'ny fitondram-panjakana... ♦ Toherin'i Madagasikara ny fikasan'i Frantsa hametraka Ivo-toerana momba ny tontolo iainana ao amin'ny Nosy Sambatra...

♦ Manentana ny Malagasy mba hisotro ny tambavy CVO ny Filoham-pirenena, hiarovan-tena amin'ny fahazoana ny Coronavirus... ♦ Hanao fihaonam-be any Fianarantsoa handinihana ny fomba hanarenana ny tontolon'ny fanabeazana aorian'ny ady atao amin'ny valan'aretina ny Sempama... ♦ Dinihina eny amin'ny Antenimieran-doholona amin'ity herinandro ity ny volavolan-dalana momba ny famokarana biôlôjika...

♦ Hamafisina ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Coronavirus amin'ny faritra ahitana izany... ♦ Tafakatra 304 ny isan'ny olona voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Minatso ny olom-pirenena tsy an-kanavaka mba hanaja ny fepetra ara-pahasalamana ampiharin'ny fitondram-panjakana ny Filohan'ny FFKM...

Alatsinainy 18 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 26 — 16, 4 — Natsangan'Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin'ny Hazofijaliana noho isika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...