Alarobia 01 aprily 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 31-42 — Toy izao no nitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

♦ Nampahafantarina androany ny fisian'ny fanafody voka-pikarohan'ny Malagasy mpikaroka hitsaboana ireo soritr'aretina mitranga ho an'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Tokony hanatona ny Kaominina ny lehiben'ny Fokontany mbola tsy naharay ny fanampiana avy amin'ny Fanjakana ho an'ireo sokajin'olona samihafa tokony hahazo izany hoy ny Ministry ny Mponina Naharimamy Irmah...

♦ Miisa efatra ireo avy any amin'ny faritra hafa ivelan'Analamanga mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Manana paik'ady iadiana amin'ny Coronavirus ny antoko TIM. Nanamafy ny fahavononany hifanolo-tanana amin'ny Fanjakana amin'izao ady atrehan'ny firenena izao Andriamatoa Marc Ravalomanana...

Talata 31 marsa 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 21-30 — Ny tenin'Andriamanitra dia voa afafy, i Kristy no mpamafy ; izay rehetra mahita Azy dia honina ao aminy mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...