Ny olona rehetra dia mety ho tratran'ity olana ity, ireo 6 volana no mihoatra, fa ireo 55 taona no mihoatra no tena tratran'ity "mifarina" ity. Samy manana ny fahazarany sy ny toe-batany ny olona tsirairay, amin'ny resaka fivalanana (mangery) mety hoe in-dray hatramin'ny in-telo isan'andro, mety in-droa na in-telo isan-kerinandro. Ny mifarina eo amin'ny olon-dehibe dia ireo izay mangery latsaky ny in-telo isan-kerinandro. Ny tsy fahampian-drano anatin'ny vatan'ny olona no mety ho antony... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny fianakaviana kristianina no voalohany amin'ny toerana fanabeazana amin'ny fivavahana ; noho ny fianakaviana kristianina miorina amin'ny Sakramentan'ny Fanambadiana dia manjary "Fiangonana ao an-tokantrano" izy. Ao amin'ny fianakaviana ny zanak'Andriamanitra no mianatra mivavaka. Fofon'ain'ny finoana ny vavaka, ilaina araka izany ny mivavaka... Katesizy momba ny Eglizy, Reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco