Talata 17 desambra 2019 - Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjelin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Masindahy Matio 1, 1-17.
Ahariharin'i Masindahy Matio tamintsika teo ny fototra niavian'i Kristy, ilay Mesia. Tsy zavatra tongatonga ho azy fa fandaharan'Andriamanitra, mba hiseho sy ho hita miharihary ny firaisany amin'ny toetra maha olombelona antsika sy ny famonjena antsika amin'ny alalan'ny Zanany, hahazoan'ny rehetra ny ny fahafahana sy ny fiadanana marina.
Marefo ny fahalalan'ny tsirairay amin'ny fiarovan-tena amin'ny fahasalamana.
Alatsinainy 16 desambra 2019 - Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 23-27.
Tsy zavatra roa samy hafa akory izay nataon'i Joany Batsita sy i Jesoa, fa iray ihany dia ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra. Samy avy amin'Andriamanitra, saingy i Joany dia mpialoha làlana fotsiny ihany fa i Jesoa kosa no mpanatanteraka.
15 desambra 2019 — Alahady faha-3 amin'ny fiavian'i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 2-11 — Antomotra ny Noely, izay fotoana lehibe ho an'izao tontolo izao, satria Izy Andriamanitra amin'ny alalan'ny Zanany no miditra eo amin'ny tantaram-piainantsika olombelona, hitondra fanavotana sy fiainam-baovao mba hahatonga ny Fanjakany ao am-pon'ny tsirairay sy ao amin'ny fiainantsika olombelona.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco