Vakiteny voalohany

Bokin’i Sôfônia Mpaminany (Sôf. 3, 14-18e)

Haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao ny Tompo.

Mihobia, ry zanakavavin’i Siôna!
Manaova feo firavoravoana, ry Israely!
Mifalia sy mireharehà amin’ny fonao rehetra, ry zanakavavin’i Jerosalema.
Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’ny Tompo,
ny fahavalonao nentiny nihodivitra anao.
Ny Tompo, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony ianao.
Amin’izany andro izany, izao no holazaina amin’i Jerosalema:

“Aza matahotra, ry Siôna, ary aza miraviravy tanana!
Ny Tompo Andriamanitrao no eo aminao, Mpamonjy mahery!
Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao;
hangina Izy amin’ny fitiavany;
noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.
Hovorîko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 12, 2-3. 4bde. 5-6

Miantsoa mafy ary miravoravoa, fa lehibe eo afovoanao ilay Masin’i Israely.

Endrey! Andriamanitra no famonjena ahy:
tsy matahotra intsony aho fa matoky!
Eny, fa ny Tompo no hery sy tanjako,
Izy no famonjena ahy.

Am-piravoravoana ianareo no hanovo amin’ny loharanom-pamonjena,
ka izao no ho teninareo amin’izay andro izay:
Derao ny Tompo, antsoy ny Anarany torio ny vahoaka ny asany vaventy,
ny haavon’ny Anarany ambarao!

Antsao ny Tompo fa naneho fiamboniana:
ataovy antso avo izany eran-tany tontolo.
Mientàna, mihobia, ry mponina ao Siôna,
fa lehibe eo anivonao ny Masin’i Israely.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 4, 4-7)

Akaiky ny Tompo.

Ry kristianina havana, mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo;
eny, averiko indray: mifalia e!
aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo:
efa akaiky anie ny Tompo e!
Aza manahy na inona na inona;
fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana,
izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.
Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie
ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 10-18)

Inona àry no hataonay?

Tamin’izany andro izany, nanontanian’ny vahoaka i Joany nataony hoe:

“Inona àry no hataonay?”

Dia namaly izy ka nanao hoe:

“Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana;
ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa”.

Ary nisy poblikanina nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe:

“Inona no hataonay, ry mpampianatra ô?”

Dia hoy izy taminy:

“Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina alainareo”.

Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe:

“Ary izahay kosa, inona no mba hataonay?”

Dia hoy ny navaliny azy:

“Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana,
ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo”.

Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy,
dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe:

“Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho,
ary tsy mendrika hanala ny fehikapany akory aho:
Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany,
ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra,
fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty”.

Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin’ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Maty ny Fiangonana satria matahotra hiteny ny marina sy mazava ny mpiandry ondry ; matahotra ny haino aman-jery sy ny hevi-bahoaka ireo mpiara-miasa amintsika ; ny mpiandry ondry tsara dia sahy manolotra ny ainy hamonjena ny ondriny. Tokony hangovitra ireo Eveka rehefa miheritreritra ny fahanginan'izy ireo manoloana ny tsy rariny sy ny heloka. Mila beazina ny olona mba ho olom-pirenena vanona... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Efa hatrany am-boalohany mihitsy no efa niantsoan'ny Fiangonana an'i Masina Maria ho renin'Andriamanitra. I Masina Maria no ohatra lehibe ho antsika olombelona rehetra ato anatin'ny Fiangonana. Ny prefasy atao mandritra ny fankalazana ny 8 desambra dia manambara amintsika ilay reny madio tsy azom-pentina, ilay virijiny nofidin'Andriamanitra hiteraka ny zanany... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.

8 desambra 2024 — Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo— Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 1-6)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...