• Hanaovana fanotàna manokana ary hatao peta-drindrina eny anivon'ny Birao fandatsaham-bato ny lisitr'ireo olom-pirenena nahazo ny "ordonnance" avy amin'ny fitsaràna hiditra anaty lisitry ny mpifidy hoy ny CENI...
  • Andrasana anio eto Madagasikara ny fahatongavan'ireo varika sy sokatra andiany faharoa nisy nanondrana an-tsokosoko tany Thaïlande, miisa 31 ireo lémuriens mbola tavela any an-toerana ary 155 ireo sokatra radiata...
  • Ratsy kalitao nefa lafo ny vokatra letchi tany amin'ny Distrikan'i Manakara tamin'ity taom-piotazana 2024 ity, nilatsaka avo telo heny ihany koa ny vokatra raha nihoatra ny tamin'ny taona 2023...
  • Misy trangan'aretina tsy fantatra nahafatesan'olona manodidina ny 143 ao amin'ny repoblika Demôkratikan'i Congo, nahitàna io aretina io voalohany ny any Kwango... 

Ny toe-tsaina no mahatonga antsika ho reraka manoloana ny sedram-piainana. Malalaka sy manana harena i Madagasikara, izay voajanahary fa ny toe-tsain'ny tsirairay entina mampandroso azy no misy tsy tsara. Tsy mihaino ny olon-dehibe intsony ny tanora, mila ezaka fifampihainoana mba hamahana olana samihafa. Betsaka ny tanora no kivy mahita ny zava-misy, manana adidy ny ray aman-dreny hanoro lalana mahitsy ny tanora... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Andrasana ny hafatra sy ny fanambarana havoakan'ireo mpizaika manatrika ny kômity Foibe faha -46 ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na ny FFKM, izay tanterahina any Morondava nanomboka omaly talata...
  • Hanomboka anio alarobia 4 desambra ao Tetezambaro-Toamasina ny andiany faharoa amin'ny fifaninana handraisana ireo mpandraharahan'ny fonja, tsy andeferana ny resaka kolikoly hoy ny mpitantana ny ENAP...
  • Miato mandritra ny fotoana fohy ny fanamboarana pasipaoro malagasy, noho ny olana ara-teknika, mitohy ny fandraisana ireo antotantaratasy fangatahana hoy ny avy amin'ny ministeran'ny filaminam-bahoaka...
  • Anio alarobia amin'ny 4 ora tolak'andro ora any Frantsa no hiadian-kevitra eny amin'ny antenimieram-pirenena ny momba ilay fitsipaham-pitokisana ny governemanta Michel Barnier...

Novelarin'i Jesoa ho an'ny Eglizy manontolo ny maha reny an'i Masina Maria, talohan'ny nahafatesany tamin'izy teo amin'ny hazofijaliana ka nanankina tamin'ilay mpianatra malalany ; araka ny voasoratra ao amin'i Masindahy Joany 19, 26-27 : "nony hitan'i Jesoa ny reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy izy tamin-dReniny hoe Rahavehivavy indro ny zanakao... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...