• Namoy mpiara-miasa teo aloha izahay eto amin'ny Radio Don Bosco. Nodimandry omaly ny mpanao gazety tamin'ny fotoan'androny, Rolland Rakotondramasy...
  • Mitaky ny hisian'ny lisitra tovana ho an'ireo anarana vaovao nampidirina anaty lisi-pifidianana, amin'ny alalan'ny "ordonnance" ny KMF/Cnoe Fanabeazan'olom-pirenena...
  • Efa nisondrotra ny saran'herinaratry ny JIRAMA ho an'ny vondron'orinasa afak'haba eto Madagasikara. Misy fiatraikany amin'izy ireo izany, hoy ny filohan'ny GEFP...
  • Mpandeha 17 isa tsy hita popoka, vokatry ny faharendrehan'ny sambo mpitondra mpizahan-tany tao amin'ny ranomasina mena any Ejipta...

  • Rehefa vita ny fanabeazana amin'ny dingan'ny sekoly amorom-patana, izay fanabeazana ny zaza sy ny ankizy dia ny sekoly amorom-pahatra indray no entina hanabeazana ireo tanora ary ny lehilahy no volavolaina ao, ny ray sy ny raibe no miandraikitra ny fampianarana. Misy sekoly manokana ho an'ireo vehivavy sy ny tanora hiroso amin'ny fiainam-pitiavana sy fianakaviana dia ny sekolin'ny tsiambaratelo ; araka izany dia olona roa ka ny beazina sy ny mpanabe no miatrika ny fampianarana eto, raha vavy ny Beazina dia ny reny na ny renibe no miandraikitra azy, raha lahy dia ny rainy na ny raibeny.

Avantana amin'ny Ray amin'ny alalan'ny Jesoa Kristy ao amin'ny Fanahy Masina ny vavaka. Maneho sy manamafy ny fifandraisan'ny voaary amin'ny Mpahary ary io fiarahan'ny Trinite Masina ao amin'ny vavaka io. Ny lovam-panahy tamin'ny Apôstôly dia mampiharihary fa fototra ao amin'ny vavaka ny fitodiana amin'ny Ray ; loharanom-ptiavana ny Trinité Masina... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

26 nôvambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona— Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...