♦ Naneho ny heviny momba ny disadisa misy eo amin'ny CENI sy ny Antenimieran-doholona ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabeazana Olom-pirenena... ♦ Efa misy ireo orinasa mitaraina amin'ny fandaniana fanampiny noho ny delestazy ka mampihatra ny karama farafahakeliny ho an'ny mpiasa ao aminy... ♦ Mponina avy amin'ny tokantrano 150 eny amin'ny 67 Ha-Avaratra no tsy mankasitraka fanorenana trano iray eny an-toerana ka nametraka sora-baventy... ♦ Miantso ireo mpitondra Israeliana mba hanao laharam-pahamehana amin'ny fiarovana ireo hopitakt roa hany sisa mijoro ao Gaza ny OMS...
06 jona — I Masindahy Norbert dia teraka tao Xanten, tanana kely ao Rhénanie, manodidina ny taona 1080. Taranaka amperora ny ray aman-dreniny avy ao Allemagne sy Lorraine. Mbola tanora izy dia efa nanana andraikitra tao am-piangonana nefa tsy nahatohitra ny fironany tany amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao izany andraikitra noraisiny izany.
André dia avy any Betsaida, ary rahalahin'i Simona-Piera, mpanarato tahaka azy koa. Mpianatr'i Joany Baptiste izy io ary izy no iray amin'ireo roa mpianatra voalohany nanaraka an'i Jesoa. Jakôba : ilay lehibe na zokiny sy Joany zanak'i Zebede, mpanarato tao amin'ny reniranon'i Tiberiady ihany koa, nanaraka an'i Jesoa tsy nisalasala, nomen'i Jesoa fanampin'anarana hoe "zana-baratra"... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Nivadika ho adin'andrim-panjakana ilay raharaha fanadihadiana ny Filoha Lefitry ny CENI, momba ny fivoahan'ny tolo-dalana mifehy ny fifidianana. Miantso fifampiresahana ny KMF/Cnoe, manoloana ity raharaha ity... • Miantso ireo parlementera ny Randrana Sendikaly, hanery ny fitondrana mpanatanteraka, hitady vahaolana amin'ny delestazy... • Maro loatra ireo fitarainana momba ny fandraisana mpiasam-panjakana ho an'ireo niofana tamin'ny CRINPF. Nanaotra ny hijerena izany ny Vaomiera miady amin'ny kolikoly eny anivon'ny Antenimieram-pirenena...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco