♦ Nampiantso ireo Minisitra teny Tsimbazaza omaly, ireo Solombavam-bahoaka mpanohitra. Nafanafana ny fifamalian-dresaka momba ny olan'ny jiro sy ny rano amin'izao fotoana izao... ♦ Ny 30%-n'ny filana herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina sisa ankehitriny no vokarin'ny Jirama, noho ny hain-tany. Nitondra fanazavana momba izany ny Minisitry ny angovo, omaly... ♦ Nisehoana savorovoro tany amin'ny Distrikan'i Manakara omaly. Savorovoro niafara tamin'ny fandorana ny tranon'ny rain'ilay tovolahy iray, maty nofirin'ny zandary...
Ny toerana mety sy tsara amin'ny fivavahana dia ny Eglizy, tranon'Andriamanitra, toerana sahazan'ny fivavahana litorjika ho an'ny ankohonana kristianina eo amin'ny Paroasy. Ny efitrano kely mangina miaraka amin'ny Soratra Masina sy ny sarimasina ihany koa dia azo naovana fivavahana samirery. Ny "sanctuaire" dia toerana fihavaozana amin'ny vavaka araka ny lovam-panahy... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
8 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 1-8)
♦ Nampiantso ireo mpikamban'ny Governemanta teny Tsimbazaza androany, ireo Solombavam-bahoaka mpanohitra. Nibahan-toerana ny fangataham-panazavana momba ny olan'ny rano sy ny jiro ankehitriny... ♦ Nanazava momba ny delestazy misy amin'izao fotoana izao ny Minisitry ny angovo androany. Ny 30%-ny filana herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina ihany no vokatra amin'izao, hoy izy... ♦ Teratany Malagasy miisa 25, nampodiana an-tanindrazana, rehefa nikasa hiditra an-tsokosoko atsy amin'ny nosy Mayotte. Nisy 5 hafa nogadraina any an-toerana, noho izy ireo efa matetika no tratra amin'izao fiondranana izao...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco