♦ Nampahafantarina androany tamin'ny alalan'ny atrikasa ny tombana fanadihadiana momba ny sakafo, ho an'ny taona 2016—2022. Nivoitra fa mibahana kokoa amin'ny prôtida sy ny lipida sakafon'ny Malagasy ny avy amin'ny zavamaniry... ♦ Handaha-teny amin'ny fihaonana iraisam-pirenena, hatao any Colombie, momba ny fiarovana ny karazan-java-manana aina, ny Minisitra Malagasy, Andonirina Max Fontaine... ♦ Miverina indray ny asan-dahalo ao amin'ny tapany andrefan'ny Distrikan'i Betroka. Manampy trotraka ny olan'ny vahoaka ny fanararaotam-pahefana ataon'ny mpitandro ny filaminana sasany...
Hotsenaina eny amin'ny "Le Wagon" Ambalavao ny Lakroa JMJ sy Ikônan'ny Virjiny Masina, amin'ny Zoma 1 novambra 2024 izao, hoentina amin'ny alalan'ny dia-mivavaka eny amin'ny Katedraly Andohalo. Marihana fa herintaona alohan'ny hamindràna azy any amin'ny Diôsezy handray ny JMJ manaraka indray dia averina amin'ny vovonana Nasiônaly eto Antananarivo aloha ireo famantarana ireo. Fandarahana "onjam-panahy" iarahana amin'i Anna Domoina eto amin'ny RDB.
♦ Mitaky famaliana tsy fanamarinam-baovao na "démenti" amin'ny gazety Kômôriana iray ny mpitondra tenin'ny Governemanta. Fanamarinana tamin'ilay vaovao mivoaka momba ny fifandraisana eo amin'i Madagasiara sy i Comores... ♦ Mety ho lasan'ny mpanohitra ny toeran'ny ben'ny tanànan'Antananarivo fa ho halam-bahoaka izy ireo, hoy ny antoko Teza, raha naneho hevitra amin'ny fandraisan'anjaran'ny fanoherana amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao... ♦ Hiverina hiodina ny orinasa Ambatovy. Efa nandeha ny andrana ny faran'ny herinandro teo, amin'ny fandefasana akoran-tany famokarana Nickel sy Cobalt avy ao Moramanga mankany Toamasina...
Ny fomba fanisàna, am-polony voalohany dia miresaka ireo zava-maniry sy ny hevitra miodidina izany ; ny am-polony faharoa kosa dia mahakasika kokoa ny biby sy ny kilema ananan'izy ireny. Ao anatin'ity am-polony faharoa ity dia tsy voatanisa mialoha intsony ireo lazaina hoe "tarehimarika". Manomboka amin'ny isa fahairaika ambiny folo : Andrimaintibe ny papango, Kely mpitsoka farara ny takatra, lava tanan-tsy miasa ny foza, bodokely matavy ny toho. Misy hevitra fonosin'ireo fitanisana ireo anefa mifanandrify amin'ny toetr'olombelona...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco