Ny fitambaramben'ny mpino, izay voahosotr'ilay Masina dia tsy mety ho diso ; ary izany satany manokana izany dia asehony amin'ny alalan'ny fahiratan'ny finoana eo amin'ny vahoaka manontolo, rehefa aharihariny ny firaisana saina iombonambe mikasika ny finoana sy ny fitsipi-pitondran-tena. Tsy resaka demôkrasia no miantoka ny fahamarinan'ny finoana... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

♦ Nandray ny fihaonana an-tampon'ny COI tety Ivato i Madagasikara androany. Nisongadina fa ilaina paik'ady fiarovana ireo ambana mitatao amin'ireo faritra ara-toe-karen'ny fari-dranomasimbe Indiana amin'izao... ♦ Nisy olana tampoka ny famatsiana herinaratra nandritra ny fanokafana ny fihaonana an-tampon'ny COI tetsy amin'ny CCI Ivato, androany... ♦ Naverin'ny Fanjakàna Maorisiana eto Madagasikara ny vongam-bolamena milanja 25,5kg naondrana an-tsokosoko. Nanolotra izany tamin'ny fomba ôfisialy androany ny Praiministra Maorisiana, Navin Ramgoolam... ♦ Nitondra fanovàna momba ny fombafomba atao mandritra ny fotoam-panevenana Papa ny Papa François...

♦ Tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato ny fihaonana an-tampony faha-5 ho an'ireo filoham-panjakàna sy lehiben'ny governemanta eo anivon'ny COI. Mandray anjara avokoa ireo firenena dimy mandrafitra azy... ♦ Mitohy ny fanampiana ara-bola ataon'ny frantsay na eo aza ny olana samihafa ara-toe-karena sy ara-tsôsialy miseho eran-tany hoy ny ambasadaorony miasa sy monina eto Madagasikara... ♦ Nanambara ny Hery Politika Mitambatra fa tsy hetsika manamorona ny arabe no saika nataon'izy ireo omaly fa filanjàna sora-baventy tety Ivato. Tsy tanteraka nefa izany araka ny fanazavan'i Profesora Ralison Roger...

♦Notanterahana teny amin'ny Ekar Md François Xavier Antanimena ny Sorona Masina ho fisaorana an'Andriamanitra sy ho fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa François. Natsoin'Andriamanitra hankalaza ny Paka any aminy ny Papa hoy ny Nonce Apostolique Mgr Tomasz GRYZA... ♦ Hotanterahana anio etsy amin'ny CCI, ety Ivato ny fihaonana an-tapony faha-5 ho an'ireo filoham-panjakàna sy lehiben'ny governemanta eo anivon'ny COI... ♦ Mivahiny eto Madagasikara ny filoha frantsay Emmanuel Macron. Isany voaresaka tamin'ny fihaonana teny Iavoloha ny momba ny famerenana ireo Nosy Malagasy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...